1[Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
1保羅闡明他的權柄與工作我保羅與你們見面的時候是謙卑的,不在你們那裡的時候,卻是放膽的。現在我親自以基督的謙遜溫柔勸你們,
2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
2求你們使我在你們那裡的時候,不要滿有自信地放膽對你們,我認為要以這樣的自信,勇敢地對付那些以為我們是照著世俗的標準(“世俗的標準”原文作“肉體”)行事的人。
3Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
3我們雖然在世上行事,卻不是按照世俗的方式作戰,
4(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
4因為我們作戰所用的兵器,不是屬於這世界的,而是在 神面前有能力的,可以攻陷堅固的堡壘,
5fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
5攻破詭辯,和做來阻擋人認識 神的一切高牆,並且把一切心意奪回來,順服基督。
6ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
6我們已經準備好了,等你們完全順服的時候,就懲罰所有不順從的人。
7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.[Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo]
7你們看事情,只看表面。如果有人自信是屬於基督的,他就應該再想一想:他是屬於基督的,同樣,我們也是屬於基督的。
8Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
8主把權柄賜給我們,是為了要造就你們,不是要破壞你們,就算我為這權柄誇口過分了一點,也不會覺得慚愧。
9mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
9不要以為我寫信是用來嚇你們。
10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
10因為有人說:“他的信又嚴厲又強硬,他本人卻氣貌不揚,言語粗俗。”
11Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
11說這話的人要想一想,我們不在你們那裡的時候,信上怎樣寫,我們來到的時候也會怎樣作。
12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
12我們不敢和那些自我推薦的人相提並論;他們拿自己來量自己,拿自己來比自己,實在不大聰明。
13Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
13我們所誇的,並沒有越過範圍,而是在 神量給我們的界限之內;這界限一直延伸到你們那裡。
14Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
14如果我們沒有到過你們那裡,現在就自誇得過分了;但事實上,我們早就把基督的福音傳到你們那裡了。
15tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
15我們並沒有越過範圍,拿別人的勞苦來誇口。我們盼望隨著你們信心的增長,我們的界限就因你們而大大擴展,
16ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
16使我們可以把福音傳到你們以外的地方。別人在他的界限以內所完成的工作,我們不會拿來誇口的。
17Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
17誇口的應當靠著主誇口,
18Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
18因為蒙悅納的,不是自我推薦的人,而是主所推薦的人。