Malagasy

聖經新譯本

2 Corinthians

9

1Fa ny amin'ny fiantrana ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;[Gr. fanompoana]
1捐得樂意的人為 神喜愛關於供應聖徒的事,我本來沒有寫信給你們的必要,
2fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
2因為我知道你們有這個心願。我對馬其頓人稱讚你們,說:“亞該亞人去年已經預備好了。”你們的熱心就激勵了許多的人。
3Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
3我派了那幾位弟兄前來,為了要使我們在這事上對你們的稱讚不至落空,好讓你們可以照著我所說的準備妥當,
4fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
4免得一旦馬其頓人和我一同來到的時候,見你們還沒有準備好,我們就因為這樣信任你們而感到羞愧,你們就更不用說了。
5Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
5因此,我認為必須勸那幾位弟兄先到你們那裡去,使你們事先籌足從前所答應的捐款。那麼,你們這樣的準備,就是出於樂意的,不是勉強的。
6Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
6還有,少種的少收,多種的多收。
7Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8, LXX.).
7各人要照著心裡所決定的捐輸,不要為難,不必勉強,因為捐得樂意的人,是 神所喜愛的。
8Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;
8 神能把各樣的恩惠多多地加給你們,使你們凡事常常充足,多作各樣的善事。
9araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9).
9如經上所說:“他廣施錢財,賙濟窮人;他的仁義,存到永遠。”
10Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
10但那賜種子給撒種的,又賜食物給人吃的 神,必定把種子加倍地供給你們,也必增添你們的義果。
11dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.[Na: fahafoizana]
11你們既然凡事富裕,就可以慷慨地捐輸,使眾人藉著我們,對 神生出感謝的心。
12Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
12因為這供應的事,不僅補足了聖徒的缺乏,也使許多人對 神感謝的心格外增多。
13satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
13眾聖徒因為你們承認和服從了基督的福音,並且慷慨地捐輸給他們和眾人,藉著你們在這供應的事上所得的憑據,就把榮耀歸給 神。
14ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
14因著 神在你們身上的厚恩,他們就為你們禱告,切切地想念你們。
15Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
15感謝 神,他的恩賜難以形容。