1Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra
1表明是 神的僕人我們這些與 神同工的,也勸你們不要白受 神的恩典。
2fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
2因為他說:“在悅納的時候,我應允了你;在拯救的日子,我幫助了你。”看哪!現在就是悅納的時候,現在就是拯救的日子。
3fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
3我們凡事都沒有妨礙人,不讓這職分受到毀謗,
4fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana,
4反而在各樣的事上,表明自己是 神的僕人,就如持久的忍耐、患難、貧乏、困苦、
5amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina,
5鞭打、監禁、擾亂、勞苦、不睡覺、禁食、
6amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
6純潔、知識、容忍、恩慈、聖靈、無偽的愛心、
7amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,
7真理的道、 神的大能等事上;並且是藉著左右兩手中公義的武器,
8amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
8藉著榮耀和羞辱、壞名聲和好名譽。我們好像是騙人的,卻是真誠的,
9tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
9好像是人所不知的,卻是人所共知的;好像是必死的,你看,我們卻是活著的;好像是受懲罰的,卻沒有處死;
10tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
10好像憂愁,卻是常常喜樂的;好像貧窮,卻使很多人富足;好像是甚麼都沒有,卻是樣樣都有。
11[Fanarana ny Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin'ny ratsy, sy filazana ny hafalian'i Paoly noho ny nibebahan'ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
11哥林多人哪!我們對你們,口是坦率的,心是寬宏的。
12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
12並不是我們對你們器量小,而是你們自己心胸狹窄。
13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin'ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
13你們也要照樣以寬宏的心對待我們,這話正像是我對兒女說的。
14Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
14分別為聖你們和不信的人不可共負一軛,義和不法有甚麼相同呢?光明和黑暗怎能相通呢?
15Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
15基督和彼列(“彼列”是撒但的別名)怎能和諧呢?信的和不信的有甚麼聯繫呢?
16Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
16 神的殿和偶像怎能協調呢?我們就是永生 神的殿,正如 神說:“我要住在他們中間,在他們中間來往;我要作他們的 神,他們要作我的子民。”
17Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).
17所以,“主說:你們要從他們中間出來,和他們分開,不可觸摸不潔淨的東西,我就收納你們。”
18Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).
18“我要作你們的父親,你們要作我的兒女。這是全能的主說的。”