1Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
1所以,親愛的,我們有了這些應許,就應該潔淨自己,除去身體和心靈上的一切污穢,存著敬畏 神的心,達到成聖的地步。
2Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin'ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona.
2哥林多人悔改,保羅得喜樂你們的心要容得下我們。我們沒有虧負過誰,沒有損害過誰,也沒有佔過誰的便宜。
3Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.
3我這樣說,不是要定你們的罪,因為我從前說過,你們常在我們心裡,甚至可以同生共死。
4Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin'ny fahorianay rehetra.
4我對你們大有信心,因你們而感到十分光榮;我心裡滿有安慰,在我們的一切患難中,格外充滿喜樂。
5Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
5我們從前到了馬其頓的時候,身體一點安寧也沒有,反而處處遭受患難,外面有爭戰,裡面有恐懼。
6Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy,
6但那安慰灰心的人的 神,藉著提多來到,安慰了我們;
7ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
7不但藉著他來,也藉著他從你們所得的安慰,安慰了我們。他把你們的渴望、你們的哀慟和你們對我的熱誠,都告訴了我們,因此我就更加歡喜了。
8Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.
8雖然我在那封信上使你們憂傷,但我現在並不後悔;其實我曾經有點後悔,因為知道那封信使你們憂傷,雖然只是暫時的。
9Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona.
9現在我快樂,不是因為你們憂傷,而是因為你們的憂傷帶來了悔改。你們依照 神的意思憂傷,凡事就不會因我們受到虧損。
10Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
10因為依照 神的意思而有的憂傷,可以生出沒有懊悔的悔改,以致得救;世俗的憂傷卻會招致死亡。
11Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo.
11看哪,你們依照 神的意思憂傷,在你們中間就產生了怎樣的熱情、申訴、憤慨、戰兢、渴望、熱誠、正義;你們在各方面都表明了自己在那事上是清白的。
12Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan'Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.
12因此,從前我雖然寫過信給你們,卻不是為了那虧負人的,也不是為了那受害的,而是在 神面前把你們對我們的熱情,向你們顯現出來。
13Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin'ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian'i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.
13因此,我們得了安慰。在這安慰之外,我們因提多的喜樂就更加歡喜,因為他的心從你們眾人那裡得到暢快。
14Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin'i Titosy ny aminareo.
14我若對他誇獎過你們甚麼,也不覺得慚愧。我們對你們所說的是真話,照樣,我們在提多面前誇獎你們的也是真的。
15Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben'ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.
15並且他想起你們眾人的服從,怎樣恐懼戰兢地接待他,他懷念你們的心就更加熱切了。
16Ary faly aho fa matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.
16現在我很歡喜,因為在一切事上我對你們都有信心。