Malagasy

聖經新譯本

2 Thessalonians

2

1[Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
1不法的人必要顯露弟兄們,關於我們主耶穌基督的再來,和我們到他那裡聚集的事,我們求你們:
2mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.
2無論有靈、有話、有冒我們的名的書信,說主的日子現在到了,你們都不要輕易動心,也不要驚慌。
3Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
3不要讓人用任何方法迷惑了你們,因為主的日子來到以前,必定有背道的事,並且那不法的人,就是那沉淪之子,必定顯露出來。
4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
4他抵擋 神,抬舉自己,高過一切稱為神和受人敬拜的,甚至坐在 神的殿中,自稱為 神。
5Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
5我還在你們那裡的時候,曾經把這些事告訴你們,你們不記得嗎?
6Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.
6現在你們也知道,那箝制他,使他到了時候才可以顯露出來的是甚麼。
7Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. [ Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy]
7因為那不法的潛力已經發動,只是現在有一個箝制他的在那裡,直等到那箝制解除了,
8Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [ Na:(holevonin'ny Tompo)]
8那時,這不法的人必要顯露出來。主耶穌要用自己口中的氣除掉他,以自己再來所顯現的光輝消滅他。
9ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
9這不法的人來到,是照著撒但的行動,行各樣的異能奇蹟和荒誕的事,
10ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
10並且在那些沉淪的人身上,行各樣不義的欺詐,因為他們不領受愛真理的心,使他們得救。
11Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
11因此, 神就使錯謬的思想運行在他們當中,讓他們相信虛謊,
12mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
12叫所有不信真理倒喜愛不義的人,都被定罪。
13[Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
13站立得穩持守信仰主所愛的弟兄們,我們應該常常為你們感謝 神,因為他從起初就揀選了你們,藉著聖靈成聖的工作,和你們對真道的信心,使你們可以得救。
14sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
14因此, 神藉著我們所傳的福音呼召你們,使你們得著我們主耶穌基督的榮耀。
15Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
15所以弟兄們,你們要站立得穩;你們所領受的教訓,無論是我們口傳的,或是信上寫的,都要持守。
16Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
16願我們的主耶穌基督自己,和那愛我們、開恩把永遠的安慰和美好的盼望賜給我們的父 神,
17no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
17安慰你們的心,並且在一切善行善言上,堅定你們。