1[Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
1作基督的精兵所以,我兒啊,你應當在基督耶穌的恩典裡剛強起來,
2Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
2又應當把你在許多見證人面前從我這裡聽見的,交託給那些又忠心又能夠教導別人的人。
3Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
3你應當和我同受磨難,好像基督耶穌的精兵。
4Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
4當兵的人不讓世務纏身,為要使那招兵的人歡喜。
5Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
5競賽的人若不遵守規則,就不能得冠冕。
6Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
6勞力的農夫理當先嘗果實。
7Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
7你要想想我的話,因為凡事主必給你領悟力。
8Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,
8你要記得那從死人中復活的耶穌基督,他是大衛的後裔所生的,這就是我所傳的福音。
9izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
9我為了這福音受了磨難,甚至像犯人一樣被捆綁起來;可是, 神的話卻不被捆綁。
10Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
10因此,我為了選民忍受一切,好叫他們也可以得著在基督耶穌裡的救恩,和永遠的榮耀。
11Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
11“我們若與基督同死,就必與他同活;
12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
12我們若能堅忍,就必與他一同作王;我們若不認他,他必不認我們;
13fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
13我們縱然不信,他仍然是信實的,因為他不能否定自己。”這話是可信的。
14[Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
14作無愧的工人你要在 神面前把這些事提醒眾人,叮囑他們不要作無益的爭辯;這只能敗壞聽見的人。
15Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. [ Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin']
15你應當竭力在 神面前作一個蒙稱許、無愧的工人,正確地講解真理的道。
16Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
16總要遠避世俗的空談,因為這些必會引人進到更不敬虔的地步。
17ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [ Gr. gangrena]
17他們的話好像毒瘤一樣蔓延;他們當中有許米乃和腓理徒。
18izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.
18他們偏離了真道,說復活的事已經過去了,於是毀壞了一些人的信心。
19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
19然而, 神堅固的根基已經立定,上面刻著這樣的印:“主認識屬於他的人”和“凡稱呼主名的人都應當離開不義”。
20Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
20在富貴人的家裡(“富貴人的家裡”原文作“大房子”),不但有金器、銀器,也有木器、瓦器;有貴重的,也有卑賤的。
21Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.
21人若自潔,離開卑賤的事,就必作貴重的器皿,成為聖潔,合主使用,預備行各樣的善事。
22Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
22你應當逃避年輕人的私慾,要和那些以清潔的心求告主的人,一同追求公義、信心、愛心、和平。
23Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
23你要拒絕愚蠢無知的問難;你知道這些事會引起爭論。
24Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
24但主的僕人卻不可爭論,總要待人溫和,善於教導,存心忍耐,
25mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
25以溫柔勸導那些對抗的人,或許 神給他們悔改的心,可以認識真理。
26ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
26他們雖然曾經被魔鬼擄去,隨從他的意思而行,或許也能醒悟過來,脫離魔鬼的陷阱。