Malagasy

聖經新譯本

2 Timothy

3

1[Ny amin'ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
1末世的情況你應當知道,末後的日子必有艱難的時期來到。
2Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
2那時,人會專愛自己、貪愛錢財、自誇、高傲、褻瀆、悖逆父母、忘恩負義、不聖潔、
3tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
3沒有親情、不肯和解、惡言中傷、不能自律、橫蠻兇暴、不愛良善、
4mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
4賣主賣友、容易衝動、傲慢自大、愛享樂過於愛 神,
5manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
5有敬虔的形式,卻否定敬虔的能力;這些人你應當避開。
6Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
6他們中間有人潛入別人的家裡,操縱無知的婦女。這些婦女被罪壓住,又被各種私慾拖累,
7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
7雖然常常學習,總不能充分明白真理。
8Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
8從前雅尼和楊蓓怎樣反對摩西,這些人也怎樣反對真理。他們的心思敗壞,信仰也經不起考驗。
9Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.
9然而他們不能再這樣下去了,因為他們的愚昧終必在眾人面前顯露出來,好像那兩個人一樣。
10[Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
10聖經都是 神默示的但是,你已經了解我的教訓、品行、志向、信心、寬容、愛心和忍耐,
11ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.
11以及我在安提阿、以哥念、路司得所受的苦和迫害。我所忍受的是怎樣的迫害;這一切主都救我脫離了。
12Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
12其實,所有立志在基督耶穌裡過敬虔生活的,都必遭受迫害。
13Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
13但惡人和騙子必越來越壞,他們欺騙人,也必受欺騙。
14Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
14你應當遵守所學和確信的;你知道是跟誰學的,
15fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
15並且知道自己從小就明白聖經,這聖經能夠使你有智慧,可以因信基督耶穌得著救恩。
16Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
16全部聖經都是 神所默示的,在教訓、責備、矯正和公義的訓練各方面,都是有益的,
17mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
17為要使屬 神的人裝備好,可以完成各樣的善工。