1[Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana;
1哥尼流蒙主指示在該撒利亞有一個人,名叫哥尼流,是意大利營的百夫長。
2ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.
2他是一個虔誠的人,他和全家都敬畏 神,對人民行過許多善事,常常向 神禱告。
3Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
3有一天,大約下午三點鐘,他在異象中,清清楚楚看見 神的一位天使來到他那裡,對他說:“哥尼流!”
4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
4他定睛一看,害怕起來,說:“主啊,甚麼事?”天使說:“你的禱告和善行,已經達到 神面前,蒙他記念了。
5Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
5現在你要派人到約帕去,請那個名叫彼得的西門來。
6mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
6他在一個製皮工人西門的家裡作客,房子就在海邊。”
7Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro.
7和他說話的天使走了之後,他就叫了兩個家僕和侍候他的一個虔誠的士兵來,
8Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
8把一切事向他們講明,然後派他們到約帕去。
9Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
9彼得見異象(徒11:5~14)第二天,大約正午,他們走近那座城的時候,彼得上了房頂去禱告。
10Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
10那家人正在預備飯的時候,彼得覺得餓了,很想吃飯。這時候他魂遊象外,
11ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;
11看見天開了,有一件東西,好像一塊大布,綁著四角,降在地上。
12ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
12裡面有地上的各樣四足牲畜,還有昆蟲和天空的飛鳥。
13Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
13有聲音對他說:“彼得,起來,宰了吃!”
14Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
14彼得說:“主啊,千萬不可!我從來不吃俗物和不潔的東西。”
15Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
15第二次又有聲音對他說:“ 神所潔淨的,你不可當作俗物。”
16Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.
16這樣一連三次,那件東西就立刻收回天上去了。
17Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
17彼得猶豫不定,不明白所看見的異象是甚麼意思,恰好哥尼流派來的人,找到西門的家,站在門口,
18dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
18大聲問:“有沒有一個名叫彼得的西門在這裡作客?”
19Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
19彼得還在思量那異象,聖靈對他說:“你看,有三個人來找你!
20fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
20起來,下去吧,跟他們一起去,不要疑惑,因為是我差他們來的。”
21Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?
21於是彼得下樓到他們那裡,說:“看,我就是你們所要找的人。你們是為甚麼來的?”
22Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
22他們說:“百夫長哥尼流是個義人,敬畏 神,全猶太族都稱讚他。他得到一位聖天使的指示,請你到他家裡,要聽你的話。”
23Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
23彼得就請他們進去,留他們住下。第二天,彼得動身跟他們一同去,另有約帕的幾位弟兄同行。
24Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
24第三天,他們到了該撒利亞。哥尼流已經招聚了自己的親戚好友在恭候他們。
25Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.
25彼得一進去,哥尼流就迎接他,俯伏在他腳前叩拜。
26Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
26彼得扶起他,說:“起來,我也是人。”
27Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
27彼得和他說了話,就進去,看見許多人聚集在那裡,
28Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
28就對他們說:“你們知道,猶太人本來是不准和外國人接近來往的,但 神已經指示了我,不可把任何人當作凡俗或不潔的。
29Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
29所以我一被邀請,就毫不推辭地來了。現在請問:你們請我來是為甚麼事?”
30Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
30哥尼流說:“四天以前下午三點鐘,我在家裡禱告的時候,忽然有一位身穿光明衣服的人,站在我面前,
31ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.
31說:‘哥尼流,你的禱告已蒙垂聽,你的善行在 神面前已蒙記念。
32Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
32你要派人到約帕去,請那個名叫彼得的西門來。他在海邊一個製皮工人西門的家作客。’
33Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.
33所以我立刻派人去請你,現在你來了,好極了!我們都在 神面前,要聽主吩咐你的一切話。”
34Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;
34彼得對哥尼流全家講道彼得就開口說:“我實在看出 神是不偏待人的。
35fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
35原來在各民族中,凡敬畏他而行義的,都蒙他悅納。
36Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao),
36 神藉著耶穌基督(他是萬有的主)傳和平的福音,把這道傳給以色列人。
37dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
37你們知道:在約翰傳講洗禮之後,這道從加利利傳遍了猶太,
38Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
38並且知道 神怎樣用聖靈和能力膏立拿撒勒人耶穌。他到各處行善事,醫好所有被魔鬼壓制的人,因為 神與他同在。
39Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
39我們就是他在猶太人之地和耶路撒冷所行一切事的見證人;他們竟然把他掛在木頭上,殺了他。
40nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
40 神叫他第三天復活,並且使他顯現,
41tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
41不是顯現給所有的人看,而是給 神預先揀選的見證人看,就是我們這些在他從死人中復活之後,與他一同吃喝的人。
42Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
42他吩咐我們向人民傳講,鄭重證明他是 神所立,審判活人死人的主。
43Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
43所有先知都為他作見證:所有信他的,都必藉著他的名,罪得赦免。”
44Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
44外族人領受聖靈彼得還在說話的時候,聖靈降在所有聽道的人身上,
45Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
45那些受了割禮、跟彼得一同來的信徒,因為聖靈的恩賜也澆灌在外族人的身上,都很驚訝;
46Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
46原來聽見他們講方言,尊 神為大。於是彼得說:
47Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
47“這些人既然領受了聖靈,跟我們一樣,誰能禁止他們受水的洗禮呢?”
48Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
48就吩咐他們奉耶穌基督的名受洗。後來,他們請彼得住了幾天。