1[Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
1彼得向耶路撒冷教會報告使徒和在猶太的弟兄們,聽說外族人也接受了 神的道。
2Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
2彼得上到耶路撒冷的時候,那些守割禮的人與他爭論,
3ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
3說:“你竟然到未受割禮的人那裡,跟他們一起吃飯!”
4Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
4彼得就按著次序向他們講解,說:
5Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
5“我在約帕城禱告的時候,魂遊象外,見到異象:有一件東西,好像一塊大布,綁著四角,從天上降下來,一直來到我面前。
6ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
6我定睛觀察,看見裡面有地上的四足牲畜、走獸,還有昆蟲和天空的飛鳥。
7Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
7我也聽見有聲音對我說:‘彼得,起來,宰了吃!’
8Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
8我說:‘主啊,千萬不可,因為俗物或不潔的東西,從來沒有進過我的口。’
9Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
9第二次又有聲音從天上回答:‘ 神所潔淨的,你不可當作俗物。’
10Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
10這樣一連三次之後,所有的東西都拉回天上去了。
11Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
11就在那個時候,有三個從該撒利亞派到我這裡來的人,站在我住的房子門前。
12Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
12聖靈吩咐我跟他們一起去,一點也不要疑惑。這六位弟兄也跟我一起去,我們就進了那人的家。
13Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
13他告訴我們,他怎樣看見天使站在他家裡說:‘派人到約帕去,請那個名叫彼得的西門來,
14izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
14他有話要告訴你,使你和你全家都可以得救。’
15Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
15我一開始講話,聖靈就降在他們身上,正像當初降在我們身上一樣。
16Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
16我就想起主所說的話:‘約翰用水施洗,但你們要受聖靈的洗。’
17Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
17 神既然把同樣的恩賜給他們,像給我們這些信了主耶穌基督的人一樣,我是誰,我能夠阻止 神嗎?”
18Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
18眾人聽見這些話,就默然無聲,把榮耀歸給 神,說:“這樣看來, 神也把悔改的心賜給外族人,使他們得生命。”
19[Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
19安提阿的教會那些因司提反事件遭受苦難而四散的門徒,一直走到腓尼基、塞浦路斯、安提阿;他們不對別人傳講,只對猶太人傳講。
20Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [ Gr. Grika; na Helenista]
20但其中有些塞浦路斯人和古利奈人,來到安提阿,也對希臘人傳講主耶穌。
21Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
21主的手與他們同在,信而歸主的人就多起來。
22Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
22這事傳到耶路撒冷教會的耳中,他們就派巴拿巴到安提阿去。
23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
23他到了那裡,看見 神所施的恩,就很歡喜,勸勉眾人堅心靠主。
24Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
24巴拿巴是個好人,滿有聖靈和信心,於是許多人歸了主。
25Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
25後來他到大數去找掃羅,
26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
26找到了,就帶他來安提阿。足足有一年,他們一同在教會聚集,教導了許多人。門徒稱為基督徒,是從安提阿開始的。
27[Ny naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
27那時,有幾位先知從耶路撒冷下到安提阿。
28Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
28其中有一個名叫亞迦布的站起來,藉著聖靈指出天下將要有大饑荒;這事在革老丟時期果然發生了。
29Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]
29於是門徒決定按著各人的力量捐款,好送給住在猶太的弟兄。
30Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]
30他們就這樣行了,由巴拿巴和掃羅經手送到長老們那裡。