1[Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana.
1雅各殉道,彼得被囚那時,希律王下手苦害教會中的幾個人,
2Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
2用刀殺了約翰的哥哥雅各。
3Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
3他見這事博得了猶太人的歡心,就在除酵節期間,再次捉拿彼得。
4Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [ Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
4捉到了,就把他關在監裡,交給四班士兵看守,每班四個人,打算過了逾越節,把他提出來交給民眾。
5Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
5彼得就這樣被拘留在監裡;但教會卻為他迫切地祈求 神。
6Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
6天使救彼得出監希律要提他出來的前一夜,彼得被兩條鎖鍊鎖住,睡在兩個士兵中間,還有衛兵守在門前。
7Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
7忽然,有主的一位使者出現,屋就光芒四射。天使拍拍彼得的肋旁,喚醒他,說:“快起來!”他手上的鎖鍊就脫落了。
8Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
8天使對他說:“束上帶子,穿上鞋!”他就這樣作了。天使又說:“披上外衣,跟我走!”
9Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
9他就出來跟著天使走,但他不知道天使所作的事是真的,還以為是見了異象。
10Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.
10他們經過第一、第二兩個崗位,來到通往城內的鐵門,那門自動給他們開了。他們出來,往前走了一條街,天使立刻離開了他。
11Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
11彼得清醒過來,說:“現在我確實知道,主差他的天使來,救我脫離希律的手和猶太人所期望的一切。”
12Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
12他明白了之後,就到約翰(別名馬可)的母親馬利亞家裡去;有許多人聚集在那裡禱告。
13Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
13彼得敲了大門,有一個名叫羅大的使女,出來應門。
14Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
14她認出是彼得的聲音,歡喜到顧不得開門,就跑進去報告,說彼得站在門外。
15Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
15大家說:“你瘋了!”她卻堅持地說這是真的。他們說:“一定是他的天使。”
16Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
16彼得繼續敲門;他們打開了,一見是他,就非常驚訝。
17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
17彼得作了一個手勢,要他們安靜,然後對他們述說主怎樣領他出監,又說:“你們把這些事告訴雅各和眾弟兄。”就離開那裡,到別的地方去了。
18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
18天亮的時候,士兵們非常慌亂,不知彼得出了甚麼事。
19Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
19希律搜索他,卻找不到,就審問衛兵,下令把他們帶出去處死。後來希律離開猶太,到該撒利亞去,住在那裡。
20Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda. [ Gr. ny mpanjaka]
20希律被 神擊打當時希律對推羅和西頓人懷怒在心。這兩地的人因為他們的地區都需要從王的領土得到糧食,就先拉攏了王的內侍臣伯拉斯都,然後同心地去見希律,要向他求和。
21Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
21到了定好的日期,希律穿上王服,坐在高臺上,向他們演講。
22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
22群眾大聲說:“這是 神的聲音,不是人的聲音!”
23Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
23他不歸榮耀給 神,所以主的使者立刻擊打他,他被蟲咬,就斷了氣。
24Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]
24 神的道日漸興旺,越發廣傳。
25Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]
25巴拿巴和掃羅完成了送交捐項的任務,就帶著名叫馬可的約翰,從耶路撒冷回來。