1[Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
1巴拿巴和掃羅奉差遣安提阿教會中,有幾位先知和教師,就是巴拿巴、名叫尼結的西面、古利奈人路求、與分封王希律一同長大的馬念,和掃羅。
2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
2他們事奉主,並且禁食的時候,聖靈說:“要為我把巴拿巴和掃羅分別出來,去作我呼召他們作的工。”
3Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
3於是他們禁食禱告,為兩人按手,就派他們去了。
4Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
4第一次宣教旅程他們既然奉聖靈差遣,就下到西流基,從那裡坐船往塞浦路斯。
5Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
5他們到了撒拉米,就在猶太人的各會堂裡宣講 神的道,還有約翰作他們的助手。
6Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
6他們走遍全島,到了帕弗,遇見一個猶太人,名叫巴.耶穌,是個術士,又是個假先知。
7izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
7他常常和省長士求.保羅在一起;省長是個聰明人,他請了巴拿巴和掃羅來,要聽聽 神的道。
8Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
8但術士以呂馬(以呂馬就是“術士”的意思)與使徒作對,要使省長轉離真道。
9Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
9掃羅,也就是保羅,卻被聖靈充滿,定睛看著他,
10ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
10說:“你這充滿各樣詭詐和各樣奸惡的人,魔鬼的兒子,公義的仇敵!你歪曲了主的正路,還不停止嗎?
11Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
11你看,現在主的手臨到你,你要瞎了眼睛,暫時看不見陽光。”他就立刻被霧和黑暗籠罩著,周圍找人牽他的手,給他領路。
12Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
12那時,省長看見了所發生的事,就信了,因為他驚奇主的教訓。
13Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
13在彼西底的安提阿保羅和同伴從帕弗開船,來到旁非利亞的別加,約翰卻離開他們,回耶路撒冷去了。
14Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
14他們從別加往前走,到了彼西底的安提阿,在安息日進了會堂,就坐下來。
15Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
15宣讀了律法和先知書以後,會堂的理事們派人到他們那裡來,說:“弟兄們,如果有甚麼勸勉眾人的話,請說吧!”
16Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
16保羅就站起來,作了一個手勢,說:“以色列人和敬畏 神的人,請聽!
17Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
17以色列民的 神,揀選了我們的祖先;當他們在埃及地寄居的時候, 神抬舉這民,用大能(“大能”原文作“高”)的膀臂,把他們從那地領出來;
18Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [ Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)]
18又在曠野容忍(“容忍”有些抄本作“養育”)他們,約有四十年之久;
19Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
19滅了迦南地的七族之後,就把那地分給他們為業;
20tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
20這一切歷時約四百五十年。後來 神賜給他們士師,直到撒母耳先知為止。
21Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
21那時,他們要求立一個王, 神就把便雅憫支派中一個人,基士的兒子掃羅,賜給他們作王,共四十年之久。
22Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
22廢去掃羅之後,又為他們興起大衛作王,並且為他作證說:‘我找到耶西的兒子大衛,他是合我心意的人,必遵行我的一切旨意。’
23Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
23 神照著應許,已經從這人的後裔中,給以色列帶來了一位救主,就是耶穌。
24rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
24在他來臨之前,約翰早已向以色列全民宣講悔改的洗禮。
25Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
25約翰快要跑完他的路程的時候,說:‘你們以為我是誰?我不是基督。他是在我以後來的,我就是給他解腳上的鞋帶也不配。’
26Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
26“弟兄們,亞伯拉罕的子孫,和你們中間敬畏 神的人哪,這救恩之道是傳給我們的。
27Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
27住在耶路撒冷的人和他們的官長,因為不認識基督,也不明白每逢安息日所讀的先知的話,就把他定了罪,正好應驗了先知的話。
28Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
28他們雖然找不出該死的罪狀,還是要求彼拉多殺害他。
29Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
29他們把所記載一切關於他的事作成了,就把他從木頭上取下來,放在墳墓裡。
30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
30但 神卻使他從死人中復活了。
31Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
31有許多日子,他向那些跟他一同從加利利上耶路撒冷的人顯現,現在這些人在民眾面前作了他的見證人,
32Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
32我們報好信息給你們: 神給列祖的應許,
33dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
33藉著耶穌的復活,向我們這些作子孫的應驗了。就如詩篇第二篇所記的:‘你是我的兒子,我今日生了你。’
34Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
34至於 神使他從死人中復活,不再歸於朽壞,他曾這樣說:‘我必把應許大衛的、神聖可靠的恩福賜給你們。’
35Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10).
35所以他在另一篇說:‘你必不容你的聖者見朽壞。’
36Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [Na. Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny sitrapon'Andriamanitra]
36“大衛在他自己的世代裡,遵行了 神的計劃,就睡了,歸回他列祖那裡,見了朽壞。
37fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
37唯獨 神所復活的那一位,沒有見過朽壞。
38Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
38所以弟兄們,你們當知道,赦罪之道是由這位耶穌傳給你們的。在你們靠摩西律法不能稱義的一切事上,
39ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
39信靠他的人就得稱義了。
40Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
40你們要小心,免得先知書上所說的臨到你們:
41Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
41‘傲慢的人哪!你們要看、要驚奇、要滅亡,因為在你們的日子,我要作一件事,就算有人告訴你們,你們總是不信。’”
42Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
42保羅和巴拿巴出來的時候,眾人請求他們下一個安息日再對他們講這些話。
43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
43散會以後,許多猶太人和歸信猶太教的虔誠人,跟從了保羅和巴拿巴。兩人對他們談話,勉勵他們要恆久住在 神的恩典中。
44Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra.
44下一個安息日,幾乎全城的人都聚了來,要聽主的道。
45Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy. [ Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
45猶太人看見這麼多人,就滿心嫉妒,反駁保羅所講的,並且毀謗他們。
46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
46保羅和巴拿巴卻放膽說:“ 神的道,先講給你們聽,是應該的。但因為你們棄絕這道,斷定自己不配得永生,所以我們現在就轉向外族人去了。
47fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
47因為主曾這樣吩咐我們說:‘我已立你作外族人的光,使你把救恩帶到地極去。’”
48Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [ Na: ny tenin'ny Tompo]
48外族人聽見了就歡喜,讚美主的道,凡指定得永生的都信了。
49Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
49於是主的道傳遍那地。
50Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
50但猶太人唆使虔誠尊貴的婦女和城內的顯要,煽動大家迫害保羅和巴拿巴,把他們驅逐出境。
51Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
51兩人當眾跺掉腳上的塵土,往以哥念去了。
52Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
52門徒滿有喜樂,又被聖靈充滿。