1[Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
1在哥林多此後,保羅離開雅典,來到哥林多,
2Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
2遇見一個生在本都的猶太人,名叫亞居拉。因為革老丟下令所有的猶太人都要離開羅馬,所以亞居拉最近同他的妻子百基拉從意大利來了,保羅就去找他們。
3Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
3他們是以做帳棚為業的,因為是同業,保羅就與他們同住,一同工作。
4Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
4每逢安息日,保羅在會堂辯論,勸導猶太人和希臘人歸主。
5Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
5西拉和提摩太從馬其頓下來的時候,保羅就專心傳揚主的道,向猶太人極力證明耶穌是基督。
6Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.
6但是他們抗拒、褻瀆,保羅就抖著衣服,對他們說:“你們的罪你們自己承擔,這與我無關。從今以後,我要到外族人那裡去了。”
7Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
7他離開那裡,到了提多.猶士都的家去。這人是敬拜 神的,他的家靠近會堂。
8Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
8會堂主管基利司布和他全家都信了主,許多哥林多人也聽了道,信了主,而且受了洗。
9Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;
9夜裡,主藉著異象對保羅說:“不要怕,只管講,不要閉口!
10fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.
10有我與你同在,必定沒有人能害你,因為在這城裡有許多屬我的人。”
11Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
11保羅在那裡住了一年零六個月,把 神的道教導他們。
12Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
12當迦流作亞該亞省長的時候,猶太人一致起來攻擊保羅,拉他到審判臺前,
13ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
13說:“這個人勸人不照著律法去敬拜 神。”
14Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;
14保羅剛要開口,迦流就對猶太人說:“猶太人啊,如果有犯法或邪惡的罪行,我當然要耐心聽你們;
15fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
15但所爭論的若是關於字句、名稱和你們的律法,你們就應當自己處理。我不願意審判這件事!”
16Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
16於是就把他們從審判臺前趕出去。
17Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.
17眾人揪住會堂主管蘇提尼,在審判臺前打他。這些事迦流一概不理。
18[Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
18結束第二次宣教旅程保羅住了許多日子,然後辭別弟兄們,坐船去敘利亞,同行的有百基拉和亞居拉。他因為許過願,現在期滿了,就在堅革里剃了頭髮。
19Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
19到了以弗所,保羅留他們在那裡,自己卻到會堂去,跟猶太人辯論。
20Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
20眾人請他多住些時候,他沒有答應,
21fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
21卻辭別他們說:“ 神若許可,我還要回到你們這裡來。”於是從以弗所開船去了。
22Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
22保羅在該撒利亞登岸,上耶路撒冷問候教會,然後下安提阿去。
23Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
23第三次宣教旅程住了一些時候,他又動身,先後經過加拉太地區和弗呂家,堅固眾門徒。
24Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.
24亞波羅在以弗所傳道有一個生在亞歷山太的猶太人,名叫亞波羅,來到了以弗所。他很有口才,擅長講解聖經。
25Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
25這人在主的道上受過訓練,心靈火熱,很準確地講論,並且教導人關於耶穌的事,但他只曉得約翰的洗禮。
26Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.
26這人在會堂裡放膽講論起來;百基拉和亞居拉聽了,就把他接來,把 神的道更準確地向他講解。
27Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
27亞波羅有意要到亞該亞去,弟兄們就鼓勵他,又寫信請門徒接待他。他到了那裡,對那些蒙恩信主的人幫助很多,
28fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
28因為他當眾有力地駁倒猶太人,引用聖經證明耶穌是基督。