1Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
1在以弗所亞波羅在哥林多的時候,保羅經過內地一帶,來到以弗所。他遇見幾個門徒,
2ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
2問他們說:“你們信的時候,受了聖靈沒有?”他們說:“沒有,連聖靈賜下來這件事,我們也沒有聽過。”
3Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
3保羅問:“那麼你們受的是甚麼洗呢?”他們說:“是約翰的洗禮。”
4Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
4保羅說:“約翰施的是悔改的洗禮,他告訴人民當信在他以後要來的那一位,就是耶穌。”
5Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
5他們聽見了,就受洗歸入主耶穌的名下。
6Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
6保羅為他們按手,聖靈就降在他們身上,他們就用各種的語言講話,並且說預言。
7Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
7他們一共約有十二人。
8Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
8一連三個月,保羅都到會堂裡去,放膽宣講,辯論 神的國的事,勸導人。
9Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [ Gr. lalana]
9可是有些人心裡剛硬,不受勸化,在群眾面前毀謗這道,保羅就離開他們,也叫門徒與他們分開。他每天在推喇奴學院跟人辯論。
10Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
10這樣過了兩年,全亞西亞的居民,無論猶太人或希臘人,都聽見了主的道。
11Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
11士基瓦的七個兒子 神藉著保羅的手,行了一些不平凡的神蹟。
12ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
12甚至有人把保羅貼身的手巾圍巾拿去,放在病人身上,病就好了,邪靈也出來了。
13Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
13那時,有幾個趕鬼的猶太人,周遊各處,擅自用主耶穌的名,向身上有邪靈的人說:“我奉保羅所傳的耶穌的名,命令你們出來。”
14Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
14有一個猶太人士基瓦,是祭司長,他的七個兒子都作這事。
15Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
15邪靈回答他們:“耶穌我認識,保羅我也知道;你們是誰?”
16Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
16邪靈所附的那人就撲到他們身上,制伏了兩人,勝過了他們,使他們赤著身帶著傷,從那房子逃了出來。
17Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
17所有住在以弗所的猶太人和希臘人,都知道這件事;大家都懼怕,尊主耶穌的名為大。
18Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
18也有許多信了的人,來承認和述說自己行過的事。
19Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
19又有許多行巫術的人,把他們的書帶來,當眾燒掉。他們估計書價,才知道共值五萬塊銀子。
20Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
20這樣,主的道大有能力地興旺起來,而且得勝。
21Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
21以弗所的騷動這些事以後,保羅心裡定意要經過馬其頓、亞該亞,往耶路撒冷去。他說:“我到了那邊以後,也該去羅馬看看。”
22Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
22於是從服事他的人中,派了提摩太和以拉都兩人去馬其頓,自己暫時留在亞西亞。
23[Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany. [ Gr. lalana]
23那時,因這道起了大擾亂,
24Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [ Gr. Artemisy]
24有一個銀匠,名叫低米丟,是製造亞底米女神銀龕的。他讓技工們作了不少的生意。
25ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
25他把這些人和同業的工人聚集起來,說:“各位,你們知道,我們是靠這生意賺錢的。
26Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
26現在你們看見了,也聽見了,這個保羅不單在以弗所,而且幾乎在整個亞西亞,說服了,也帶壞了許多人,說:‘人手所做的,都不是神。’
27Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
27這樣,不只我們這一行要給人鄙視,就是大女神亞底米的廟也會給人撇棄,連全亞西亞和普天下所敬拜的女神也要垮臺,威榮盡都失掉了。”
28Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
28他們聽了,怒氣沖沖喊著說:“以弗所人的女神,偉大的亞底米啊!”
29Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
29全城騷動起來,他們捉住了保羅的旅伴馬其頓人該猶和亞里達古,齊心衝進了劇場。
30Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
30保羅想要到人群當中去,門徒卻不許。
31Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [ Gr. Asiarka]
31還有幾位亞西亞的首長,是保羅的朋友,派人來勸他,不要冒險到劇場裡去。
32Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
32那時大家叫這個喊那個,亂成一團,大多數的人都不知道聚集的原因。
33Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
33猶太人把亞歷山大推到前面,群眾中有人把這事的因由告訴他。亞歷山大作了一個手勢,要向民眾申辯。
34Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
34大家一認出他是猶太人,就異口同聲高呼:“以弗所人的女神,偉大的亞底米啊!”喊了約有兩個鐘頭。
35Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera ? [ Gr. Zeosy]
35後來,書記官安撫群眾說:“以弗所人哪!誰不知道你們的城,是看守大亞底米的廟,又是看守宙斯那裡降下的神像的呢?
36Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
36這些事既然是駁不倒的,你們就應當平心靜氣,不可輕舉妄動。
37Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
37你們帶來的這些人,既沒有行劫廟宇,也沒有褻瀆我們的女神。
38Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
38如果低米丟和同他一起的技工要控告誰,大可以告上法庭,或呈交總督;讓他們彼此控告好了。
39Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
39如果還有其他的事件,可以在合法的集會裡,謀求解決。
40Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
40今天的動亂,本來是無緣無故的,我們可能有被控告的危險;關於這次的騷動,我們實在無法解釋。”
41Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
41說了這些話,就把群眾解散了。