1[Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
1問安奉 神旨意作基督耶穌使徒的保羅,和提摩太弟兄,
2mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
2寫信給在歌羅西的聖徒,和在基督裡忠心的弟兄。願恩惠平安從我們的父 神臨到你們。
3Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
3為歌羅西信徒感謝 神我們為你們祈禱的時候,常常感謝 神我們主耶穌基督的父,
4rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
4因為聽見你們在基督耶穌裡的信心,和對眾聖徒的愛心。
5noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
5這都是由於那給你們存在天上的盼望,這盼望是你們從前在福音真理的道上聽過的。
6izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
6這福音傳到你們那裡,也傳到全世界;你們聽了福音,因著真理確實認識了 神的恩典之後,這福音就在你們中間不斷地結果和增長,在全世界也是一樣。
7tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay, [ Na: (anareo)]
7這福音也就是你們從我們親愛的、一同作僕人的以巴弗那裡學到的。他為你們作了基督忠心的僕役,
8sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
8也把你們在聖靈裡的愛心告訴了我們。
9[Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
9保羅的祈禱因此,我們從聽見的那天起,就不停地為你們禱告祈求,願你們藉著一切屬靈的智慧和悟性,可以充分明白 神的旨意,
10mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,
10使你們行事為人對得起主,凡事蒙他喜悅;在一切善事上多結果子,更加認識神;
11ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
11依照他榮耀的大能得著一切能力,帶著喜樂的心,凡事忍耐寬容;
12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
12並且感謝父,他使你們有資格分享聖徒在光明中的基業。
13sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
13他救我們脫離了黑暗的權勢,把我們遷入他愛子的國裡。
14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
14我們在愛子裡蒙了救贖,罪得赦免。
15Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
15基督在萬有之上這愛子是那看不見的 神的形象,是首先的,在一切被造的之上。
16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [ Gr. seza fiandrianana]
16因為天上地上的萬有:看得見的和看不見的,無論是坐王位的,或是作主的,或是執政的,或是掌權的,都是本著他造的;萬有都是藉著他,又是為著他而造的。
17ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
17他在萬有之先;萬有也一同靠著他而存在。
18Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [ Gr. eklesia]
18他是身體的頭,這身體就是教會。他是元始,是死人中首先復生的,好讓他在凡事上居首位;
19Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
19因為 神樂意使所有的豐盛都住在愛子裡面,
20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
20並且藉著他在十字架上所流的血成就了和平,使萬有,無論是地上天上的,都藉著他與 神和好了。
21Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
21雖然你們從前也是和 神隔絕,心思上與他為敵,行為邪惡,
22tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
22但現今 神在愛子的肉身上,藉著他的死,使你們與 神和好了,為了要把你們這些聖潔、無瑕疵、無可指摘的人,呈獻在他面前。
23raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
23只是你們要常存信心,根基穩固,不受動搖偏離福音的盼望。這福音你們聽過了,也傳給了天下萬民;我保羅也作了這福音的僕役。
24Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana, [ Gr. eklesia]
24竭力傳揚 神的奧祕現在我為你們受苦,我覺得喜樂;為了基督的身體,就是為了教會,我要在自己的肉身上,補滿基督苦難的不足。
25izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,
25我照著 神為你們而賜給我的管家職分,作了教會的僕役,要把 神的道,就是歷世歷代隱藏的奧祕,傳得完備。現在這奧祕已經向他的眾聖徒顯明了。
26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,
26
27izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
27 神願意使他們知道這奧祕在外族人中有多麼榮耀的豐盛,這奧祕就是基督在你們裡面成了榮耀的盼望。
28Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
28我們傳揚他,是用各樣的智慧,勸戒各人,教導各人,為了要使各人在基督裡得到完全。
29Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
29我也為了這事勞苦,按著他用大能在我心中運行的動力,竭力奮鬥。