Malagasy

聖經新譯本

Philippians

4

1Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako.
1我所想念親愛的弟兄們,你們就是我的喜樂、我的冠冕。所以,親愛的,你們應當靠著主站立得穩。
2Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy.
2勸勉我勸友阿嫡,也勸循都基,要在主裡意念相同。
3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
3我真誠的同道啊,我也求你幫助她們。這兩個女人,還有革利免和其餘的同工,都跟我在福音的事工上一同勞苦,他們的名字都在生命冊上。
4Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. [ Na: veloma]
4你們要靠著主常常喜樂,我再說,你們要喜樂。
5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
5要使大家看出你們謙和的心。主已經近了。
6Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
6應當毫無憂慮,只要凡事藉著禱告祈求,帶著感恩的心,把你們所要的告訴 神。
7Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
7這樣, 神所賜超過人能了解的平安,必在基督耶穌裡,保守你們的心思意念。
8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
8最後,弟兄們,凡是真實的、莊重的、公正的、純潔的、可愛的、聲譽好的,無論是甚麼美德,甚麼稱讚,這些事你們都應當思念。
9Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
9你們在我身上所學習、所領受、所聽見、所看見的,這些事你們都應當實行;那麼,賜平安的 神就必與你們同在。
10[Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
10凡事知足的祕訣我在主裡大大地喜樂,因為你們現在又再想起我來;其實你們一向都在想念我,只是沒有機會表示。
11Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
11我並不是因為缺乏才這樣說:我已經學會了,無論在甚麼情況之下都可以知足。
12Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
12我知道怎樣處卑賤,也知道怎樣處富裕;我已經得了祕訣,無論在任何情況之下,或是飽足,或是飢餓,或是富裕,或是缺乏,都可以知足。
13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
13我靠著那加給我能力的,凡事都能作。
14Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
14然而,你們一同分擔了我的患難,實在是好的。
15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [ Gr. eklesia]
15腓立比信徒的餽送腓立比的弟兄們,你們也知道,在我傳福音的初期,離開馬其頓的時候,除了你們以外,我沒有收過任何教會的供給。
16Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
16我在帖撒羅尼迦的時候,你們還是一而再把我所需用的送來。
17Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
17我並不求禮物,只求你們的果子不斷增加,歸在你們的帳上。
18Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
18你們所送的我都全數收到了,而且綽綽有餘;我已經足夠了,因我從以巴弗提收到你們所送的,好像馨香之氣,是 神所接納所喜悅的祭物。
19Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
19我的 神必照他在基督耶穌裡榮耀的豐富,滿足你們的一切需要。
20Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
20願榮耀歸給我們的父 神,直到永遠。阿們。
21Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
21問候與祝福問候在基督耶穌裡的各位聖徒。同我在一起的弟兄們問候你們。
22Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
22眾聖徒,特別是凱撒家裡的人,都問候你們。
23Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
23願主耶穌基督的恩惠與你們同在(“與你們同在”原文作“與你們的心靈同在”)。