Malagasy

聖經新譯本

Philippians

3

1[Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [ Na: veloma]
1以認識基督為至寶最後,我的弟兄們,你們要靠著主喜樂。我寫這些話給你們,在我並不困難,對你們卻是妥當的。
2Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
2你們要提防那些“狗”,提防作惡的,提防行割禮的。
3Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
3其實我們這些靠 神的靈來敬拜,在基督耶穌裡誇口而不倚靠肉體的人,才是受割禮的,
4kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
4雖然我有理由可以倚靠肉體。如果別人認為可以倚靠肉體,我就更加可以了;
5fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
5我第八天受割禮,屬於以色列民族便雅憫支派,是希伯來人所生的希伯來人。按著律法來說,我是個法利賽人;
6araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. [ Gr. eklesia]
6按著熱誠來說,我是迫害教會的;按著律法上的義來說,我是無可指摘的。
7Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
7然而以前對我有益的,現在因著基督的緣故,我都當作是有損的。
8Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
8不但這樣,我也把萬事當作是有損的,因為我以認識我主基督耶穌為至寶。為了他,我把萬事都拋棄了,看作廢物,為了要得著基督。
9ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
9並且得以在他裡面,不是有自己因律法而得的義,而是有因信基督而得的義,就是基於信心,從 神而來的義,
10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
10使我認識基督和他復活的大能,並且在他所受的苦上有分,受他所受的死;
11raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
11這樣,我也許可以從死人中復活。
12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
12向著目標竭力追求這並不是說我已經得著了,已經完全了,而是竭力追求,好使我可以得著基督耶穌要我得著的。
13Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [ Na: (tsy nataoko)]
13弟兄們,我不以為自己已經得著了,我只有一件事,就是忘記背後,努力面前,
14eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy. [ Na: ho any ambony]
14向著目標竭力追求,為要得著 神在基督耶穌裡召我往上去得的獎賞。
15Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
15所以,我們中間凡是成熟的人,都應當這樣想。即使你們不是這樣想, 神也會把這事指示你們。
16Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
16不過,我們到了甚麼程度,就要照著甚麼程度去行。
17Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
17切望救主再臨弟兄們,你們要一同效法我,也要留意那些照著我們的榜樣而行的人。
18Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;
18我常常告訴你們,現在又流著淚說,有許多人行事為人,是基督十字架的仇敵,
19fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy.
19他們的結局是滅亡,他們的神是自己的肚腹,他們以自己的羞辱為榮耀,所想的都是地上的事。
20Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
20但我們是天上的公民,切望救主,就是主耶穌基督,從天上降臨;
21Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
21他要運用那使萬有歸服自己的大能,改變我們這卑賤的身體,和他榮耀的身體相似。