1[Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
1效法基督的謙卑所以,你們在基督裡若有甚麼勸勉,有甚麼愛心的安慰,有甚麼靈裡的契通,有甚麼慈悲和憐憫,
2dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
2就應當有同樣的思想,同樣的愛心,要心志相同,思想一致,使我充滿喜樂。
3tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
3不要自私自利,也不要貪圖虛榮,只要謙卑,看別人比自己強;
4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
4各人不要單顧自己的事,也要顧別人的事。
5Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
5你們應當有這樣的意念,這也是基督耶穌的意念。(全節或譯:“你們當以基督耶穌的心為心。”)
6Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
6他本來有 神的形象,卻不堅持自己與 神平等的地位,
7fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
7反而倒空自己,取了奴僕的形象,成為人的樣式;
8ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
8既然有人的樣子,就自甘卑微,順服至死,而且死在十字架上。
9Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
9因此 神把他升為至高,並且賜給他超過萬名之上的名。
10mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
10使天上、地上和地底下的一切,因著耶穌的名,都要屈膝,
11sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
11並且口裡承認耶穌基督為主,使榮耀歸給父 神。
12Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
12顯出生命之道這樣看來,我所親愛的,你們素來是順服的,(不但我在你們那裡的時候是這樣,現今我不在,你們更要順服,)就應當恐懼戰兢地作成自己的救恩。
13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
13 神為了成全自己的美意,就在你們裡面動工,使你們可以立志和行事。
14Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
14無論作甚麼,都不要發怨言、起爭論,
15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
15好使你們無可指摘、純真無邪,在這彎曲乖謬的世代中,作 神沒有瑕疵的兒女;你們要在這世代中發光,好像天上的光體一樣,
16mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
16把生命的道顯揚出來,使我在基督的日子可以誇耀我沒有空跑,也沒有徒勞。
17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
17即使把我澆奠在你們信心的祭物和供奉上,我也喜樂,並且和你們大家一同喜樂。
18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
18照樣,你們也要喜樂,並且要和我一同喜樂。
19[Ny amin'i Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
19提摩太的為人我靠著主耶穌,希望不久就會差提摩太到你們那裡去,使我們知道你們的情況,可以得到鼓勵。
20Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. [ Na: aminy]
20沒有人與我同心,真正關心你們的事,
21Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
21因為大家只顧自己的事,而不理耶穌基督的事。
22izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
22不過,提摩太的為人是你們知道的,他和我一同為了福音服事主,就像兒子跟父親一樣。
23Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
23所以,等我看出自己的事會怎樣了結之後,我希望立刻差他去;
24Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
24而且靠著主,我相信自己不久也會去。
25Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. [ Gr. apostolinareo]
25忠心侍候的以巴弗提然而我認為必須差以巴弗提到你們那裡去,他是我的弟兄,與我一同作工一同作戰的,也是你們為我的需要差來服事我的。
26Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
26他一直在想念你們眾人,並且因為你們聽見他病了,他就非常難過。
27Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
27事實上他病得幾乎要死,然而 神憐憫了他;不但憐憫他,也憐憫我,免得我憂上加憂。
28Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
28所以,我更急著差他去,讓你們再見到他,就可以喜樂,也可以減少我的掛慮。
29Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
29因此,你們要在主裡歡歡喜喜地接待他,也要尊重這樣的人,
30fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
30因他為了基督的工作,冒著生命的危險,差一點喪了命,為的是要補滿你們服事我不足的地方。