1[Ny fanasana nataon'i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.
1伯沙撒王大宴群臣伯沙撒王為他的一千大臣大擺筵席,他和他們一同喝酒。
2Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
2伯沙撒喝酒歡暢的時候,下令把他先祖尼布甲尼撒從耶路撒冷聖殿裡掠取的金銀器皿拿來,好讓他和他的大臣、妻妾、妃嬪用這些器皿來喝酒。
3Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
3於是人把從耶路撒冷聖殿裡,就是 神的殿裡,掠來的金銀器皿拿來;王和他的大臣、妻妾、妃嬪就用這些器皿來喝酒。
4Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
4他們喝酒,讚美那些用金、銀、銅、鐵、木、石所做的神。
5Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
5指頭在牆上寫字當時,忽然有人手的指頭出現,在王宮裡燈臺對面的粉牆上寫字;王看見了那隻正在寫字的手掌,
6Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
6就臉色大變,心意驚惶,兩腳無力,雙膝彼此相碰。
7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.
7王大聲呼叫,吩咐人把那些用法術的和迦勒底人,以及占星家都領進來;王對巴比倫的智慧人說:“誰能讀這文字,又能向我解釋它的意思,他必身穿紫袍,頸戴金鍊,在國中掌權,位列第三。”
8Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
8於是王所有的智慧人都進來,卻不能讀那文字,也不能把意思向王說明。
9Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
9伯沙撒王就非常驚惶,臉色大變;他的大臣也都不知所措。
10Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
10太后舉薦但以理太后因王和他的大臣所說的話,就進入宴會的大廳,對王說:“願王萬歲!你的心意不要驚惶,也不要臉色大變。
11Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
11在你國中有一個人,他裡面有聖神的靈;你先祖在世的日子,發現這人有灼見,有聰明,有智慧,好像神的智慧一樣。你先祖尼布甲尼撒王,就是王的先祖,曾立他為術士、用法術的,以及迦勒底人和占星家的領袖。
12fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
12這都因為在這但以理裡面有美好的靈性,有知識,有聰明,能解夢,釋謎語,能解答難題;這人尼布甲尼撒王曾給他起名叫伯提沙撒。現在可以把但以理召來,他必能解釋牆上文字的意思。”
13Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
13於是但以理被帶到王面前,王問但以理說:“你就是我先王從猶大擄來的猶大人但以理嗎?
14Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
14我聽說你裡面有神的靈,有灼見,有聰明,有高超的智慧。
15Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
15現在智慧人和用法術的都被帶到我面前了,我要他們讀這文字,把文字的意思向我說明,可是他們都不能解釋這文字的意思。
16ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
16我聽說你能解釋異夢,也能解答難題。現在你若能讀這文字,把它的意思向我說明,就必身穿紫袍,頸戴金鍊,在國中掌權,位列第三。”
17Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
17但以理直言責王但以理在王面前回答說:“你的禮物可以歸你自己,你的賞賜可以歸給別人;我卻要為王讀這文字,也要把意思向王說明。
18Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
18王啊!至高的 神曾把國位、權勢、光榮和威嚴賜給你先祖尼布甲尼撒。
19ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
19因 神所賜給他的權勢,各國、各族和說各種語言的人,都在他面前戰兢恐懼;他要殺誰,就殺誰;要誰活著,誰就可以活著;要提升誰,就提升誰;要貶低誰,就貶低誰。
20Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
20但他心高氣傲、妄自尊大的時候,就從國位上被趕下來,他的尊榮也被奪去。
21dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
21他被趕逐,離開人群,他的心變如獸心,他和野驢同住,像牛一樣吃草,身體被天露滴濕;等到他承認至高的 神在世人的國中掌權,他喜歡誰,就立誰執掌國權。
22Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
22伯沙撒啊!你是他的子孫,你雖然知道這一切,你的心仍不謙卑,
23fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
23竟高抬自己,敵對天上的主,使人把他殿中的器皿拿到你面前來,你和你的大臣、妻妾、妃嬪用這些器皿喝酒;你又讚美那些不能看見、不能聽見、甚麼都不能知道,用金、銀、銅、鐵、木、石所做的神,卻沒有把榮耀歸給那手中有你的氣息,和那掌管你一切命途的 神。
24Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
24因此,有手從 神那裡伸出來,寫了這文字。
25Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.[Oparesina = sy Paresina]
25解釋牆上文字的意義“所寫的文字是:‘彌尼,彌尼,提客勒,烏法珥新。’
26Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
26這文字的意思是這樣:‘彌尼’就是 神已數算了你國度的年日,使國終止;
27Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
27‘提客勒’就是你被稱在天平上,顯出你的缺欠;
28Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
28‘毗勒斯’(“毗勒斯”即“烏法珥新”的單數式)就是你的國要分裂,歸給瑪代人和波斯人。”
29Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana.Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
29於是伯沙撒下令,人就把紫袍給但以理穿上,把金鍊戴在他的頸上,又宣告他在國中掌權,位列第三。
30Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
30伯沙撒王被殺而亡國當夜,迦勒底人的王伯沙撒被殺。
31瑪代人大利烏奪取了迦勒底國;那時他六十二歲。(本節在《馬索拉抄本》為6:1)