Malagasy

聖經新譯本

Daniel

6

1Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
1但以理被立為監察司大利烏按自己的心意,立了一百二十個總督,治理全國;(本節在《馬索拉抄本》為6:2)
2[Ny amin'ny nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
2他又在這些總督之上,設立三位監察司(但以理是其中之一),監管總督的工作,免得王受虧損。
3Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
3因為但以理裡面有美好的靈性,所以各方面都比其他的監察司和總督優勝;王有意立他治理全國。
4Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
4引起同僚的嫉妒與謀害於是這些監察司和總督在但以理治國的事上,尋找把柄控告他,只是不能找到任何的把柄和過失,因為他忠心可靠,他們找不到他的任何錯誤和過失。
5Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
5那些人就說:“如果我們要控告這但以理,就只有在他 神的律法中去找把柄。”
6Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
6這些監察司和總督就相約前來見王,對他說:“願大利烏王萬歲!
7Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
7國中所有的監察司、總監、總督、謀臣和省長,一同商議,請王立一條法例,實施一道禁令:無論何人,在三十天內,王啊!除了向你以外,若向任何神或任何人求甚麼,就必扔在獅子坑中。
8Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
8王啊!現在求你立這禁令,簽署這份文告,使禁令不能更改。按照瑪代和波斯的律法,這樣的禁令是不能廢除的。”
9Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
9於是大利烏王簽署了這禁令文告。
10Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
10但以理照常禱告但以理知道這文告簽署了以後,就上到自己家裡樓頂上的房間,這房間的窗戶朝向耶路撒冷開著;他一日三次雙膝跪下,在他的 神面前禱告稱謝,像往日一樣。
11Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
11那些人相約前來,看見但以理在他的 神面前祈禱懇求。
12Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.
12他們就來到王面前,提起王的禁令,說:“你豈不是簽署了禁令,無論何人,在三十天內,王啊!除了向你以外,若向任何神或任何人求甚麼,就必扔在獅子坑中?”王回答說:“確有此事。按照瑪代和波斯的律法,這樣的禁令是不能廢除的。”
13Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
13於是他們對王說:“王啊,在被擄的猶大人中的但以理不理會你的命令,也不理會你簽署的禁令,竟仍一日三次向他的 神祈求。”
14Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
14王聽見了這話,就非常愁煩;他定意要搭救但以理,直到日落的時候,他還在設法營救但以理。
15Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
15那些人就相約前來見王,對他說:“王啊,你該知道,根據瑪代和波斯的律法,王所立的禁令和法例,都是不能更改的。”
16Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
16但以理被扔在獅子坑中於是王下令,人就把但以理帶來,扔在獅子坑中。王對但以理說:“你常常事奉的 神,他必搭救你!”
17Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
17有人搬了一塊石頭,放在坑口,王又蓋上自己的印鑒和眾大臣的印鑒,使懲辦但以理的事不得更改。
18Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela.
18王回到宮裡,整夜沒有吃東西,也不要任何娛樂解悶,並且睡不著覺。
19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
19次日黎明,天一亮,王就起來,急忙到獅子坑那裡去。
20Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
20他走近坑邊的時候,就用哀痛的聲音呼叫但以理,對但以理說:“永活 神的僕人但以理啊!你常常事奉的 神能搭救你脫離獅子嗎?”
21Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
21但以理毫無損傷但以理對王說:“願王萬歲!
22Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
22我的 神差遣了他的使者,封住獅子的口,使牠們沒有傷害我,因為我在 神面前是清白的;王啊!在你面前我也沒有作過任何錯事。”
23Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
23王就非常高興,吩咐人把但以理從坑裡拉上來。於是但以理從坑裡被拉上來,他身上一點損傷也沒有,因為他信靠他的 神。
24Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
24陷害但以理的人自食其果王下令,人就把那些誣衊控告但以理的人,連同他們的妻子和兒女都一起帶來,扔在獅子坑中;他們還沒有下到坑底,獅子就抓住他們,把他們所有的骨頭都咬碎了。
25Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
25王通令全國敬畏 神後來大利烏王寫信給住在全地的各國、各族和說各種語言的人,說:“願你們大享平安!
26Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
26現在我下令,我所統治的全國人民都要在但以理的 神面前戰兢恐懼。“他是永活的 神,他永遠長存;他的國度永不滅亡,他的統治直到永遠。
27Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
27他搭救人,拯救人;他在天上地下施行神蹟奇事;他搭救了但以理脫離獅子的爪。”
28Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.
28於是這但以理在大利烏作王的時候,和在波斯人古列作王的時候(本句或譯:“於是這但以理在大利烏﹝即波斯人古列﹞作王的時候”),事事亨通。
29Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.