Malagasy

聖經新譯本

Daniel

7

1[] Fahitana niseho tamin'i Daniela ny amin'ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar. fahitan'ny lohany]
1但以理夢中見異象巴比倫王伯沙撒第一年,但以理躺在床上時,他作了一個夢,腦海中出現了異象;他就把那夢記錄下來,把事情的重點述說出來。
2Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
2但以理說:“在夜間的異象中,我看見天的四風,攪動大海。
3Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
3四巨獸“有四隻巨獸從海中上來,形狀各不相同。
4Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
4第一隻獸像獅子,卻有鷹的翅膀。我一直在觀看,看見牠的翅膀被拔去,牠從地上被舉起來,兩腳像人一樣直立在地上;又有人的心給了牠。
5Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
5我又看見另一隻獸,就是第二隻獸;牠和熊相似,挺起一邊的身軀,口中的牙齒銜著三根肋骨。有人這樣對牠說:‘起來,吃多量的肉吧!’
6Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
6此後,我繼續觀看,看見另一隻獸像豹,背上有鳥的四個翅膀;這獸有四個頭,又有權柄給了牠。
7Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
7後來,我在夜間的異象中繼續觀看,看見有第四隻獸,非常恐怖,十分可怕,極其強壯。牠有大鐵牙;牠吞吃咬碎,又把剩餘的用腳踐踏;這獸和前面的各獸都不相同;牠有十個角。
8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
8我正在究察這些角的時候,看見角的中間長出另一個小角來。在這小角前面,有三個先前的角連根被拔起來。這小角有眼,像人的眼,又有一張說誇大話的嘴。
9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
9“我一直在觀看,看見有些寶座安放好了,萬古常存者就坐上去;他的衣服潔白如雪,他的頭髮純淨像羊毛。他的寶座是火燄,寶座的輪子是烈火。
10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
10有火像河湧出,烈火從他面前冒出;事奉他的有千千,侍立在他面前的有萬萬。審判已經開始,案卷都展開了。
11Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
11“那時,因那小角說誇大話的聲音,我繼續觀看,看見那獸被殺,屍體被毀,扔在烈火中。
12Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
12至於其餘的三獸,牠們的權柄都被奪去,牠們的生命卻得著延長,直到所定的時候和日期。
13Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
13“我在夜間的異象中繼續觀看,看見有一位像人子的,駕著天雲而來,到萬古常存者那裡,被引領到他面前,
14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
14得了權柄、尊榮和國度;各國、各族和說各種語言的人都事奉他。他的權柄是永遠的權柄,是不能廢去的;他的國度是永不毀滅的。
15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
15解釋異象的意義“至於我但以理,我的靈在我裡面憂傷,我腦海中出現的異象使我驚惶。
16Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
16於是我走近其中一位侍立者,問他有關這一切事的實情;他就告訴我,使我知道這些事的意思,他說:
17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
17‘這四隻巨獸就是將要在世上興起的四個王。
18Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
18但至高者的聖民必要得國,擁有這國,直到永永遠遠。’
19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
19那時我想知道有關第四隻獸的實情,牠和其他三獸不相同,十分恐怖,有鐵牙銅爪;牠吞吃咬碎,又把剩餘的用腳踐踏。
20ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
20我又想知道有關牠頭上的十角,和那另長出來的小角,以及那三個在這小角前面倒下的角的實情。這小角有眼,有說誇大話的嘴;牠的形狀比牠的同類更威猛。
21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
21我繼續觀看,看見這小角和聖民爭戰,戰勝了他們,
22ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
22直到萬古常存者來到,為至高者的聖民伸張正義;聖民擁有國度的時候就到了。
23Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
23“那位侍立者這樣說:‘那第四隻獸就是世上必有的第四國,和其他各國都不相同;牠必吞吃全地,踐踏咬碎全地。
24Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
24至於那十角,就是從這國中將要興起的十個王,在他們以後,必有另一個王興起,和先前的王都不相同;他必制伏三個王。
25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
25他必說話,敵擋至高者;他必折磨至高者的聖民,又想改變節期和律法;聖民必交在他的手中,一載、二載、半載(“一載、二載、半載”或譯:“一個時期、多個時期、半個時期”)。
26Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
26但審判要開始,他的權柄必被奪去,他必被毀壞滅絕,直到永遠。
27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
27那時,國度、權柄,和普天之下萬國的大權,都必賜給至高者的聖民。他的國是永遠的國;所有掌權的都必事奉他,順從他。’
28Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
28這事到此完畢。我但以理心中十分驚惶,臉色也變了,但我把這事存放在心裡。”