Malagasy

聖經新譯本

Ecclesiastes

10

1Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
1智慧使人成功幾隻死蒼蠅能使做香料者的膏油發霉變臭,一點點愚昧比智慧和榮譽的影響更大。
2Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
2智慧人的心向右,愚昧人的心偏左。
3Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.
3愚昧人連走路的時候,也顯出無知;他對每一個人表現出他是個愚昧人(“他對每一個人表現出他是個愚昧人”或譯:“他稱每一個人都是愚昧的”)。
4Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
4如果掌權者向你發怒,你不要離開原位,因為柔順能免大過。
5Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
5在日光之下我看見一件憾事,好像是出於官長無意的錯誤,
6Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
6就是愚昧人得居眾多高位,富有的人卻處卑位。
7Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
7我見過奴僕騎馬,貴族卻像奴僕一樣在地上步行。
8Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
8挖陷阱的,自己掉進去;拆牆垣的,有蛇來咬他。
9Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
9採石的,被石打傷;劈柴的,被柴損害。
10Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
10斧頭若鈍了,還不把斧刃磨快,就必多費力氣;智慧的好處在於助人成功。
11Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
11未行法術先被蛇咬,那麼,法術對行法術的人就毫無用處。
12Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
12智慧人的口,說出恩言;愚昧人的嘴,卻吞滅自己。
13Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
13愚昧人的話開頭是愚昧,結尾是邪惡狂妄。
14Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
14愚昧人多言多語。人不知道將來會有甚麼事,誰能告訴他死後會發生甚麼事呢?
15Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
15愚昧人的勞碌徒使自己困乏,他連怎樣進城也不知道。
16Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
16邦國啊,如果你的王是個孩童,而你的大臣又一早吃喝宴樂,你就有禍了。
17Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
17邦國啊,如果你的王是貴冑之子,而你的大臣又按時吃喝,為要得力,不為醉酒,你就有福了。
18Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
18房頂塌下是因為懶惰,房屋滴漏是因為懶得動手。
19Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
19設宴是為歡笑,酒能使人生快活,金錢能解決萬事。
20Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
20不要在意念中咒罵君王,也不要在臥房中咒罵財主,因為空中的飛鳥會傳聲,有翅膀的會述說這事。