1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
1把握 神所賜的時機
2Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
2眾人的命運都是一樣的:義人與惡人、好人與壞人、潔淨的與不潔淨的、獻祭的與不獻祭的,所遭遇的都是一樣的;好人怎樣,罪人也怎樣;起誓的怎樣,怕起誓的也怎樣。
3Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
3在日光之下所發生的一切事,有一件令人遺憾的,就是眾人的命運都是一樣的,並且世人的心充滿邪惡,一生心懷狂妄,後來都歸到死人那裡去。
4Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny amin'ny velona rehetra dia mbola misy hantenaina]
4凡有生命的(“凡有生命的”原文作“凡與所有活人有關聯的”),就有盼望,因為活狗比死獅更好。
5Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
5活人還知道自己必死,死人卻一無所知,而且再得不到酬勞,他們也被遺忘。
6Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
6他們的愛,他們的恨,他們的嫉妒,都早已消失了,在日光之下所發生的一切事,永遠也沒有他們的分了。
7Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
7你只管快快樂樂地去吃你的飯,懷著高興的心去喝你的酒,因為 神已經悅納了你所作的。
8Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
8你當經常穿著白色的衣袍,頭上也不要缺少膏油。
9Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.
9在你一生虛空的年日中,就是 神在日光之下賜你虛空的年日中,你要和你所愛的妻子享受人生,因為那是你一生在日光之下從勞碌中所得的分。
10Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.[Heb. Sheola]
10凡是你手可作的,都當盡力去作;因為在你所要去的陰間裡,既沒有工作,又沒有籌謀;沒有知識,也沒有智慧。
11[Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
11我又看見在日光之下,跑得快的未必得獎,勇士未必戰勝,智慧的未必得糧食,精明的未必致富,博學的未必得人賞識,因為時機和際遇左右眾人。
12Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
12原來人並不知道自己的時機,正像魚被惡網圈住,鳥被網羅捉住,險惡的時機忽然臨到世人身上的時候,世人也照樣陷在其中。
13Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
13智慧勝過武力在日光之下,我又看見一樣智慧,覺得很有意義:
14Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
14有一座小城,人數不多;有一個大君王來進攻,把它包圍,建造巨大的高壘攻城。
15Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
15城裡有一個貧窮但有智慧的人,用他的智慧救了那城。然而,卻沒有人記念那窮人。
16Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
16於是我說:“智慧勝過武力”,但是那個窮人的智慧被藐視,他的話也沒有人聽從。
17[Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
17聽智慧人安安靜靜說出來的話,勝過聽管理愚昧者的人的喊叫。
18Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
18智慧勝於戰鬥的武器,但一個罪人能破壞許多好事。