1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
1智慧人懂得判斷時機誰像智慧人,誰知道事情的解釋呢?人的智慧使他容光煥發,使他臉上的戾氣轉消。
2Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
2我勸你,因為你指著 神起了誓,你就要遵守王的命令。
3Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
3不要輕率離開王的面前,也不要參與惡事,因為王可以隨己意作任何事。
4fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
4既然王的話有權柄,誰敢問他:“你在作甚麼?”
5Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]
5遵守命令的,必不遭受災禍;智慧人的心,曉得時機,懂得判斷。
6fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.[Na: fahorian']
6各樣事務成就,都有合宜的時機和定局,儘管人的災禍重壓在自己身上。
7Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
7他不曉得未來的事,將來要發生甚麼,誰能告訴他呢?
8Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
8沒有人能支配風(“風”或譯:“生命”),把它留住;沒有人能控制死期;戰爭之時,沒有人能免役;邪惡救不了行邪惡的人。
9Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
9敬畏 神終得福樂我看見了這一切,又專心查究在日光之下所發生的一切事。有這樣的一個時候:有人管轄別人,叫他受害。
10Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]
10然後我看見惡人得以埋葬,他們生前在聖地往來,而在他們這樣行的城中,竟被人遺忘。這也是虛空!(全節或譯:“然後我看見惡人得以埋葬,他們生前在聖地往來,並且在他們這樣行的城中,受人稱讚。這也是虛空!”或“然後我看見惡人得以埋葬,歸入墳墓;行正直的人卻與聖地隔離,在城中被人遺忘。這也是虛空!”)
11Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
11對惡行已判定的刑罰遲遲沒有執行,世人的心就充滿行惡的意圖。
12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
12罪人既然作惡百次,還享長壽,那麼我知道敬畏 神的人,就是在他面前存敬畏的心的,必享福樂。
13Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.
13惡人卻沒有福樂,也得不到長壽;他好像影子的短暫,因為他在 神面前不存敬畏的心。
14Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
14在世上有一件虛空的事,就是義人照惡人所行的受報應,惡人照義人所行的得報償。我說,這也是虛空。
15Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
15於是我稱頌快樂,因為人在日光之下最好是吃喝快樂。這是人在日光之下, 神賜給他一生的年日裡,從自己勞碌中所得的享受。
16[Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
16我專心認識智慧,察看世上的勞碌──有人晝夜不眠──
17dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
17於是我看見了 神的一切作為,知道在日光之下所發生的事,人不能查明;儘管人勞碌尋查,總是查不出來;即使智慧人以為知道了,還是查不出來。