Malagasy

聖經新譯本

Ecclesiastes

7

1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
1智者的選擇美名優於美好的膏油,死亡的日子勝過誕生的日子。
2Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
2往服喪之家,比往宴樂之家還好,因為死是人人的結局,活人要把這事放在心上。
3Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.[Na: faly]
3憂愁勝於嬉笑,因為面帶愁容,能使內心得著好處。
4Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
4智慧人的心在服喪之家,愚昧人的心在歡樂之家。
5Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
5聽智慧人的斥責,勝過聽愚昧人的歌唱。
6Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
6愚昧人的笑聲,就像鍋底下荊棘的爆聲一樣。這也是虛空。
7Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
7勒索會使智慧人變為愚妄,賄賂能敗壞人心。
8Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
8事情的結局勝於開端,存心忍耐的,勝過居心驕傲的。
9Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
9你心裡不要輕易動怒,因為惱怒留在愚昧人的胸懷中。
10Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
10你不要說:“為甚麼從前的日子勝過現在的呢?”你這樣問,不是出於智慧。
11Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
11智慧與產業都是好的,對得見天日的人是有益的。
12Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
12因為受智慧的庇護,如同受銀子的庇護。唯有智慧能保全智慧人的生命,這就是知識的益處。
13Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
13體察 神的心意行事要觀察 神的作為,因為他所屈曲的,誰能弄直呢?
14Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
14在亨通的日子,應當享福;遭遇患難的時候,就當省察。 神使這兩樣並存,為了叫人查不出未來的事。
15Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
15在我虛空的日子裡,我見過這兩件事:有義人行義反而滅亡,有惡人行惡倒享長壽。
16Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
16不要過分公義,也不要太過有智慧,何必自取滅亡呢?
17Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
17不要過分作惡,也不要作愚昧人,何必時候未到就死?
18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
18持守這個是好的,那個也不要放鬆,因為敬畏 神的人,都必避免這兩個極端。
19Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
19智慧使智慧人比城中十個官長更有能力。
20Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
20世上實在沒有一個行善而不犯罪的義人。
21Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
21人所說的一切話,都不要放在心上,因你可能聽見僕人咒罵你。
22fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
22其實你心裡明白,自己也曾多次咒罵別人。
23Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
23這一切我都用智慧試驗過。我說:“我要得智慧”,智慧卻遠離我。
24Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
24那離得遠又極深奧的,誰能找到呢?
25Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
25我轉念,一心去了解、考察並尋覓智慧和事理,又要知道愚蒙是邪惡的,狂妄是愚昧的。
26ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
26我發現一個比死亡更惡毒的婦人,她有如羅網,心如陷阱,手如鎖鍊。蒙 神喜悅的人得以擺脫她,罪人卻被她纏住。
27Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
27傳道者說:“看哪!我發現了這件事,我一再揣摩,要找出事情的道理。
28Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
28我的心仍在尋覓,卻還找不到,就是在一千個男人中,我找到一個正直人,但在所有的女人中,連一個也找不到。
29Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
29我所明白的,只有這件事: 神造人原是正直的,他們卻找出許多巧計。”