Malagasy

聖經新譯本

Ephesians

2

1Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
1出死入生你們因著自己的過犯和罪惡,原是死的。
2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
2那時你們在過犯和罪惡中行事為人,隨著時代的潮流,也服從空中掌權的首領,就是現今在悖逆的人身上運行的靈。
3teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
3我們從前也都和他們在一起,放縱肉體的私慾,隨著肉體和心意所喜好的去行;我們與別人一樣,生來都是可怒的兒女。
4Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,
4然而 神滿有憐憫,因著他愛我們的大愛,
5na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
5就在我們因過犯死了的時候,使我們與基督一同活過來,(你們得救是靠著恩典,)
6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
6又使我們在基督耶穌裡,與他一同復活,一同坐在天上,
7mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
7為的是要在將來的世代中,顯明他在基督耶穌裡賜給我們的恩典,是多麼的豐盛。
8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
8你們得救是靠著恩典,藉著信心。這不是出於自己,而是 神所賜的;
9tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
9這也不是出於行為,免得有人自誇。
10Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
10我們原是 神所作成的,是在基督耶穌裡創造的,為的是要我們行各樣的善事,就是 神預先所安排的。
11[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
11在基督裡合而為一你們應當記得,你們從前按肉體來說是外族人;那些所謂在肉體上受過人手所行的割禮的人,稱你們為未受割禮的。
12eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
12那時,你們是在基督以外,與以色列國無分,在帶有應許的約上是外人,在世上沒有盼望,沒有 神。
13fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
13你們從前遠離的人,現今在基督耶穌裡,靠著他的血已經可以親近了。
14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
14基督就是我們的和平:他使雙方合而為一,拆毀了隔在中間的牆,就是以自己的身體除掉雙方的仇恨,
15fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
15並且廢掉了律法的規條,使兩者在他裡面成為一個新人,這樣就締造了和平。
16ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
16基督既然藉著十字架消滅了仇恨,就藉著十字架使雙方與 神和好,成為一體,
17Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin'izay akaiky koa. [ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
17並且他來把和平的福音傳給你們在遠處的人,也給在近處的人。
18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
18我們雙方都藉著他,在同一位聖靈裡,可以進到父面前。
19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
19這樣看來,你們不再是外人和客旅,而是與聖徒一同作國民,是 神家裡的人了,
20natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
20並且建造在使徒和先知的根基上,基督耶穌自己就是奠基石,
21ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
21整座建築都靠著他連接配合,漸漸增長成為在主裡面的聖所。
22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
22你們在他裡面也一同被建造,成為 神藉著聖靈居住的所在。