1[Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy: [ Na: mino an']
1問安奉 神旨意作基督耶穌使徒的保羅,寫信給住在以弗所,在基督耶穌裡忠心的聖徒。
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2願恩惠平安從我們的父 神和主耶穌基督臨到你們。
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
3在基督裡屬靈的福分我們主耶穌基督的父 神是應當稱頌的。他在基督裡,曾經把天上各種屬靈的福分賜給我們:
4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
4就如創立世界以前,他在基督裡揀選了我們,使我們因著愛,在他面前成為聖潔,沒有瑕疵。
5rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [ Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
5他又按著自己旨意所喜悅的,預定我們藉著耶穌基督得兒子的名分,
6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
6好使他恩典的榮耀得著頌讚。這恩典是他在愛子裡賜給我們的。
7Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
7我們在他愛子裡,藉著他的血蒙了救贖,過犯得到赦免,都是按著他豐盛的恩典。
8izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
8這恩典是他用各樣的智慧和聰明,充充足足地賜給我們的;
9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
9他照著自己在基督裡預先安排的美意,使我們知道他旨意的奧祕,
10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [ Na: hanangonany indray]
10到了所計劃的時機成熟,就使天上地上的萬有,都在基督裡同歸於一。
11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [ Na: no nandraisantsika ny lova]
11那憑著自己旨意所計劃而行萬事的,按著他預先所安排的,預定我們在基督裡得基業(“得基業”或譯:“成為 神的產業”),
12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
12藉著我們這在基督裡首先有盼望的人,使他的榮耀得著頌讚。
13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
13你們既然聽了真理的道,就是使你們得救的福音,也信了基督,就在他裡面受了所應許的聖靈作為印記。
14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
14這聖靈是我們得基業的憑據,直到 神的產業得贖,使他的榮耀得著頌讚。
15[Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny olona masina rehetra, [ Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
15保羅的祈禱因此,我聽到你們在主耶穌裡的信心,和對眾聖徒的愛心,
16dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
16就不住地為你們獻上感謝。我禱告的時候,常常提到你們,
17mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
17求我們主耶穌基督的 神,榮耀的父,賜給你們智慧和啟示的靈,使你們充分地認識他,
18ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
18並且使你們心靈的眼睛明亮,可以知道他的呼召有怎樣的盼望;他基業的榮耀,在聖徒中是多麼的豐盛;
19ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
19 神照著他強大的力量,向我們信他的人顯出的能力,是何等的浩大。
20izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
20這力量運行在基督身上,使他從死人中復活,並且在天上坐在自己的右邊,
21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
21遠超過一切執政的、掌權的、有能的、作主的,和今生來世所能舉出的一切名銜。
22dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, [ Gr. eklesia]izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
22 神又使萬有都歸服在他的腳下,並且使他作教會至高的元首。
23izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
23教會是他的身體,是那充滿萬有者所完全充滿的。