1Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [ Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza]
1信徒的責任弟兄們,如果有人陷在一些過犯裡,你們屬靈的人,要用溫柔的心使他回轉過來,自己卻要小心,免得也被引誘。
2Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
2你們各人的重擔要互相擔當,這樣就成全了基督的律法。
3Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
3如果有人本來沒有甚麼了不起,卻自以為是了不起的,就是欺騙自己。
4Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
4各人應該省察自己所作的,這樣,他引以為榮的,就只在自己而不在別人了;
5fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
5因為各人的擔子,是要自己擔當的。
6Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
6在聖道上受教的,應該和施教的人分享自己的一切美物。
7Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
7不要自欺, 神是不可輕慢的。人種的是甚麼,收的也是甚麼:
8Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
8順著自己的肉體撒種的,必定從肉體收取敗壞;順著聖靈撒種的,必定從聖靈收取永生。
9Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
9我們行善,不要覺得厭煩;如果不鬆懈,到了適當的時候,就有收成。
10Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
10所以,我們一有機會,就應該對眾人行善,對信徒更要這樣。
11[Anatra farany] Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.
11勸勉和祝福請看,我親手寫給你們的字是多麼的大。
12Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
12那些在外表上要體面的人,他們勉強你們受割禮,不過是怕為了基督的十字架受迫害。
13Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
13那些受割禮的人,自己也不遵守律法,反而要你們受割禮,為的是要藉著你們的肉身誇口。
14Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [ Na: izay]
14至於我,我絕不以別的誇口,只誇我們主耶穌基督的十字架。藉著這十字架,在我來說,世界已經釘在十字架上了;就世界來說,我也已經釘在十字架上了。
15Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
15受割禮或不受割禮,都算不得甚麼,要緊的是作新造的人。
16Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
16所有照這準則而行的人,願平安憐憫臨到他們,就是臨到 神的以色列。
17Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
17從今以後,誰也不要攪擾我,因為我身上帶著耶穌的烙痕。
18Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
18弟兄們,願我們主耶穌基督的恩惠與你們同在(“與你們同在”原文作“與你們的心靈同在”)。阿們。