1[Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]
1領袖謀惡靈把我提起來,帶到耶和華殿朝東的東門;在門口那裡有二十五個人;我看見他們中間有人民的領袖押朔的兒子雅撒尼亞和比拿雅的兒子毗拉提。
2Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,
2耶和華對我說:“人子啊!這些就是圖謀罪孽,在這城裡設惡謀的人。
3dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
3他們說:‘建造房屋的時候還沒有到;這城是鍋,我們是肉。’
4ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.
4因此,人子啊!你要說預言,要說預言攻擊他們。”
5Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
5罪惡與懲罰耶和華的靈降在我身上,他對我說:“你要說:‘耶和華這樣說:以色列家啊!你們口裡所說、心中所想的,我都知道。
6Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
6你們在這城裡殺了許多人,使街道滿了死人。
7Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
7因此,主耶和華這樣說:你們棄置在城中的死人就是肉,這城就是鍋;至於你們,卻要從城中被趕出去。
8Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
8你們懼怕刀劍,我就使刀劍臨到你們,這是主耶和華的宣告。
9Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
9我要把你們從城中趕出去,交在外族人的手裡;我要向你們施行審判。
10Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
10你們必倒在刀下,我必審判你們,直到以色列的邊境;你們就知道我是耶和華。
11Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo
11這城必不作你們的鍋,你們也必不作其中的肉。我必審判你們直到以色列的邊境;
12ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
12你們就知道我是耶和華。這是因為你們沒有遵行我的律例,也沒有遵守我的典章,卻效法你們周圍列國的習俗去行。’”
13Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?
13以西結的代禱我正在說預言的時候,比拿雅的兒子毗拉提死了。於是我臉伏在地,大聲呼叫,說:“哎,主耶和華啊!難道你要把以色列餘剩的人都盡行毀滅嗎?”
14Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
14回歸故土的盼望耶和華的話臨到我說:
15Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]
15“人子啊!論到你的兄弟、你的親屬和以色列全家,耶路撒冷的居民曾經這樣說:‘他們遠離了耶和華,這地是賜給我們作產業的。’
16Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]
16因此你要說:‘主耶和華這樣說:我雖然把他們遠遠地遷到列國之中,使他們分散在各地,我還要在他們所到的各地暫作他們的聖所。’
17Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.
17因此你要說:‘主耶和華這樣說:我要從萬族中招聚你們,從你們被分散到的各地聚集你們,把以色列地賜給你們。’
18Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
18他們必回到那裡,也必除掉那裡所有可厭的偶像和所有可憎之物。
19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
19更新的應許“我要把一顆心賜給他們,把新的靈放在他們裡面;我要從他們肉體中除掉石心,賜給他們肉心,
20mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
20使他們遵從我的律例,謹守遵行我的典章,這樣,他們就必作我的子民,我必作他們的 神。
21Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.[Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]
21至於那些心中隨從可厭的偶像和可憎之物的人,我要把他們所行的,報應在他們的頭上。”這是主耶和華的宣告。
22Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
22耶和華的榮耀離開耶路撒冷以後,基路伯展開翅膀,輪子都在他們旁邊;在他們以上有以色列 神的榮耀。
23Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanàna.
23耶和華的榮耀從城中升起,停在城東的那座山上。
24Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.
24靈把我提起來,在異象中藉著 神的靈,領我到迦勒底被擄的人那裡去;我看見的異象就離開我上升去了。
25Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.
25我就把耶和華指示我的一切事都說給被擄的人聽。