1[Ny nasain'Andriamanitra nataon'i Ezekiela hahalalan'ny Isiraely fa samy ho lasan-ko babo, na ny mpanjaka, na ny vahoaka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1遷移的預兆耶和華的話又臨到我說:
2Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
2“人子啊!你是住在叛逆的民族之中;他們有眼睛可以看,卻看不見;他們有耳朵可以聽,卻聽不見,因為他們是叛逆的民族。
3Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
3因此,人子啊!你要為自己預備被擄時所需的東西,在日間當著他們眼前離去,從你所住的地方移居別處;他們雖然是叛逆的民族,或者他們可以看得明白。
4Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
4你要在日間當著他們眼前,把你的東西(好像被擄時所需的物件)搬出來,到了晚上,你要當著他們眼前出去,像被擄的人出去一樣。
5Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
5你要當著他們眼前把牆挖穿,把你的東西從那裡帶出去。
6Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
6到了天黑,你要當著他們眼前把這些東西扛在肩頭上帶出去;你要蒙住你的臉,使你看不見這地,因為我已經立你作以色列家的一個兆頭。”
7Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
7於是我照著所吩咐的去行,在日間我把我的東西(好像被擄時所需的物件)搬出來;到了晚上,我用手把牆挖穿;天黑的時候,我就當著他們眼前把這些東西扛在肩頭上帶出去。
8Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
8預兆的意義到了早晨,耶和華的話臨到我說:
9Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
9“人子啊!以色列家,就是叛逆的民族,不是問你:‘你在作甚麼呢?’
10Ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
10你要對他們說:‘主耶和華這樣說:這默示(“默示”原文作“擔子”)是關乎耶路撒冷的君王,和以色列全家。’
11Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
11你要說:‘我作你們的一個兆頭,我怎樣行,他們的遭遇也必怎樣;他們必被擄去。’
12Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.
12他們中間的君王必在天黑的時候,把東西扛在肩頭上,從他們挖穿的牆帶出去;他必蒙住自己的臉,不能看見這地。
13Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
13我要把我的網撒在他身上,他必被我的網羅網住;我要把他帶到巴比倫,就是迦勒底人之地;他不會看見那地,卻要死在那裡。
14Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
14我要把他周圍所有的人,就是所有幫助他的和他所有的軍隊,分散到四方去,也要拔出刀來追趕他們。
15Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any amin'ny tany samy hafa izy.
15我使他們四散到列邦中,分散在各地的時候,他們就知道我是耶和華。
16Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
16然而我卻要留下他們少數的人,免受刀劍、饑荒和瘟疫之害,好使他們在所到的列國中,述說他們一切可憎惡的事,他們就知道我是耶和華。”
17Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17戰懼驚惶的預兆耶和華的話又臨到我說:
18Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.
18“人子啊!你要戰戰兢兢地吃你的飯,滿心憂慮地喝你的水。
19Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
19你要對這地的人民說:‘論到耶路撒冷的居民和以色列地,主耶和華這樣說:他們要滿心憂慮地吃他們的飯,十分驚惶地喝他們的水;因為所有居民的強暴,這地必全然荒涼。
20Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
20有人居住的城市必成為荒場,這地必然荒涼,你們就知道我是耶和華。’”
21Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 神的預言必要應驗耶和華的話臨到我說:
22Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
22“人子啊!你們在以色列地怎麼有這一句俗語說:‘日子一天一天過去,所有異象都落空了’呢?
23Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.
23因此,你要對他們說:主耶和華這樣說:‘我必使這一句俗語不再流行,在以色列中,人必不再引用這句俗語。’你卻要對他們說:‘日子臨近了,所有異象都必應驗。’
24Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
24從此,在以色列家中必不再有虛假的異象和奉承的占卜。
25Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
25我耶和華所說的,是我要說的話,我所說的必定成就,不再耽延。叛逆的民族啊!我所說的話必在你們還活著的日子成就。這是主耶和華的宣告。”
26Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
26耶和華的話又臨到我說:
27Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
27“人子啊!以色列家說:‘這人所見的異象是關乎許多年日以後的事,他所說的預言是指著遙遠的將來。’
28Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
28因此,你要對他們說:‘主耶和華這樣說:我所有的話,必沒有一句再耽延;我所說的,都必成就。這是主耶和華的宣告。’”