1[Ny fahotan'i Jerosalema sy ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1耶路撒冷的罪行耶和華的話又臨到我說:
2Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
2“人子啊,你要審判嗎?你要審判這流人血的城嗎?你要使這城知道它一切可憎的事。
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
3你要說:‘主耶和華這樣說:這城中有流人血的事,它製造偶像,玷污自己,以致它受審判的時候來到。
4Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
4因你流了人的血,你就有罪了;因你做了偶像,你就玷污了自己;這樣,你使你受罰的日子臨近,遭報的年日來到,我使你成為列國辱罵、列邦譏笑的對象。
5ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
5你這混亂喧嚷、名被玷污的城啊!那些離你近的和離你遠的,都必譏笑你。
6Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.[Heb sandriny]
6看哪!以色列的領袖們恃著自己的能力,在你裡面流人的血。
7Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
7在你裡面輕視父母的;在你中間有壓迫寄居的和欺負孤兒寡婦的。
8Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
8你藐視了我的聖物,褻瀆了我的安息日。
9Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
9在你裡面有好讒謗的人,他們要流人的血;在你的山上吃祭肉;又在你中間行淫亂的事。
10Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
10在你裡面有暴露父親下體的;有污辱在經期中不潔的婦人的。
11Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
11在你裡面,這人與鄰舍的妻子行可憎的事;那人行淫亂,玷污自己的兒媳;還有人污辱自己的同胞姊妹。
12Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
12在你裡面有接受賄賂而流人血的;你借錢給人,收取利息,並且多要;你用欺壓手段向你的鄰舍榨取不義之財;你更忘記了我。這是主耶和華的宣告。
13Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
13“‘看哪!因你所得的不義之財,又因在你中間所流的血,我就拍掌。
14Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
14到了我懲治你的日子,你的心還能受得住嗎?你的手還有力嗎?我耶和華說了,就必實行。
15Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
15我要把你分散在列國,四散在萬邦;我要從你中間消除你的污穢。
16Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
16你在列國眼前被玷污的時候,你就知道我是耶和華。’”
17Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
17渣滓必遭熔化的比喻耶和華的話臨到我說:
18Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
18“人子啊!以色列家在我看來已成了渣滓;他們都是爐中的銅、錫、鐵和鉛;就是銀的渣滓。
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
19因此,主耶和華這樣說:‘你們既然都成了渣滓,所以,我要把你們集合在耶路撒冷城中。
20Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
20人怎樣把銀、銅、鐵、鉛、錫,集合在爐中,吹火使它們熔化,我也照樣在我的怒氣、我的烈怒中,把你們集合起來,放在城中,使你們熔化。
21eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
21我必集合你們,把我烈怒的火吹在你們身上,你們就必在城中熔化。
22Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
22銀子怎樣在爐中熔化,你們也必照樣在城中熔化;你們就知道我耶和華把我的烈怒倒在你身上。’”
23Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
23全國上下的罪行耶和華的話臨到我說:
24Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio]
24“人子啊!你要對這地說:‘在忿怒的日子,你是沒有雨水(“沒有雨水”這譯法根據古譯本,原文作“未得潔淨”),沒有甘霖之地’。
25Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
25其中的先知叛逆,像吼叫的獅子撕碎獵物;他們把人吞吃,搶奪財物和珍寶,使其中寡婦的數目增多。
26Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
26這地的祭司違反我的律法,褻瀆我的聖物;他們不分別聖俗,也不教導人分辨甚麼是潔淨的和不潔淨的,又掩目不理我的安息日,以致我在他們中間被褻瀆。
27Toy ny amboa-dia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa]
27其中的官長好像撕碎獵物的豺狼,流人的血,滅人的命,為要得不義之財。
28Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
28這地的先知用灰泥給他們粉刷牆壁,為他們見虛假的異象,行騙人的占卜,說:‘主耶和華這樣說’,其實當時耶和華並沒有說話。
29Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
29這地的人民常常欺壓人,慣行搶掠,虧待困苦窮乏的人,毫無公理地去欺壓寄居的人。
30Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
30我在他們中間尋找一人重修牆垣,在我面前為這地站在破口之處,使我不毀滅這地,我卻找不到一個。
31koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
31所以我把我的忿怒倒在他們身上,用我烈怒之火消滅他們,把他們所行的報應在他們的頭上。這是主耶和華的宣告。”