1[Fanoharana ny amin'Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1兩個淫亂姊妹的比喻耶和華的話又臨到我說:
2Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
2“人子啊!有兩個女人,都是同一個母親生的。
3ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
3她們在埃及行邪淫,在幼年的時候行了邪淫,在那裡她們的胸被人撫摩;在那裡她們處女的乳房被人撫弄。
4Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[Ohola = lainy][Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
4姊姊的名字是阿荷拉,妹妹的名字是阿荷利巴;她們都嫁了給我,並且生了兒女。論到她們的名字,阿荷拉就是撒瑪利亞,阿荷利巴就是耶路撒冷。
5Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
5“阿荷拉嫁了我以後仍行邪淫,戀慕她的愛人,就是亞述的戰士。
6izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
6他們穿著紫色衣服,是作總督和省長的;他們都是英俊的年輕人,是騎著馬的騎兵。
7Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
7阿荷拉與這些亞述人中最美的男子行邪淫;她因自己所戀慕的每一個人和這些人的偶像玷污了自己。
8Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
8她沒有離棄在埃及時的淫亂;那時她年幼,人與她同睡,撫弄她處女的乳房,把他們的情慾發洩在她身上。
9Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.
9因此我把她交在她的愛人手裡,就是她所戀慕的亞述人手裡。
10Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
10這些人露出她的下體,擄去她的兒女,用刀殺了她,使她在婦女中有了臭名,因為他們向她施行懲罰。
11Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
11“她妹妹阿荷利巴雖然看見了,卻在自己情慾的事情上比姊姊更腐敗,她的淫亂比姊姊的淫亂更甚。
12Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
12她貪戀亞述人,就是作總督和省長,穿著華美衣服的戰士,騎著馬的騎兵,全都是英俊的年輕人。
13Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
13我看見她被玷污了;她們姊妹兩人所行的路都是一樣。
14ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
14阿荷利巴又繼續行淫;她看見畫在牆上的人像,就是用鮮紅的顏料所畫的迦勒底人像,
15samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
15這些像的腰間束著腰帶,頭上有下垂的裹頭巾,他們看來像官長,有巴比倫人的樣子,迦勒底是他們出生之地。
16Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
16阿荷利巴的眼一看見,就戀慕他們,派遣使者到迦勒底去見他們。
17Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
17於是巴比倫人來,上了她愛情的床,與她行淫玷污了她;她被他們玷污以後,心就與他們疏遠。
18Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
18她既然顯露了她的淫行,露出了自己的下體,我的心就與她疏遠,好像我的心從前與她姊姊疏遠一樣。
19Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.
19她還加倍行淫,懷念她幼年在埃及地行淫的日子。
20Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.
20她戀慕她的情人,他們的下體像驢的下體;他們射精像馬一樣。
21Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
21這樣,你就渴想你幼年時的淫蕩;那時,埃及人撫弄過你的乳房,撫摩你年幼時的胸。
22Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,
22“因此,阿荷利巴啊!主耶和華這樣說:‘看哪!我必激動你的愛人攻擊你,就是你心所疏遠的人;我必帶他們來從四面攻擊你。
23dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
23他們就是巴比倫人、迦勒底人、比割人、書亞人、哥亞人,與他們一起的還有亞述人,他們都是英俊的年輕人,是作總督和省長的,作長官和戰士的,全部都是騎馬的。
24Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
24他們必帶著兵器、馬車、戰車和大隊人來攻擊你;他們要拿著大小盾牌,戴著頭盔,從四面擺陣攻擊你;我要把審判的事交給他們,他們必按著自己的慣例來審判你。
25Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.
25我必向你發洩我的妒忿,他們必以烈怒待你;割去你的鼻子和耳朵;你餘下的人必倒在刀下;他們要擄去你的兒女;你餘下的人必被火吞吃。
26Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
26他們必剝去你的衣服,奪去你華麗的飾物。
27Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
27這樣,我必使你的淫蕩和你從埃及地沾染的淫亂離開你,你的眼必不仰望他們,你也必不再懷念埃及。
28Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
28因為主耶和華這樣說:看哪!我必把你交在你所恨的人手裡,就是交在你的心所疏遠的人手裡。
29ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
29他們必以憎恨待你,奪去你一切勞碌得來的,留下你赤身露體;你行淫的下體、你的淫蕩和淫亂,都必顯露出來。
30Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
30這些事要行在你身上,因為你隨從列國行淫,被他們的偶像玷污了自己。
31Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
31你走了你姊姊所走的路,所以我必把她的杯交在你手裡。
32Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
32主耶和華這樣說:你必喝你姊姊所喝的杯,那杯又深又闊,容量甚大,必使你成為嗤笑和譏諷的對象。
33Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.
33你必酩酊大醉,充滿愁苦,那是驚慌和荒涼的杯,就是你姊姊撒瑪利亞的杯。
34Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
34你要喝這杯,並且喝盡;然後把這杯摔成碎塊,又抓傷自己的胸。因為這是我曾說過的。’這是主耶和華的宣告。
35Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
35因此,主耶和華這樣說:‘因為你忘記了我,把我丟在背後,所以你要擔當你淫蕩和淫亂的後果。’”
36Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
36嚴責兩個婦人的邪淫耶和華又對我說:“人子啊,你要審判阿荷拉和阿荷利巴嗎?你要把她們可憎的事向她們說明,
37fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
37因為她們行了姦淫,手中染血,與自己的偶像行姦淫,他們甚至使自己給我所生的兒女經火,獻給偶像作食物。
38Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
38此外,同一天,她們還向我作了這事,就是玷污我的聖所,又褻瀆我的安息日。
39Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
39她們宰殺了自己的兒女獻給偶像,同一天又進了我的聖所,把聖所褻瀆。這就是她們在我殿中所行的。
40Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]
40況且你們打發使者去請人從遠方來;使者到了他們那裡,他們就來了。為了他們,你們洗澡、替眼部化妝、佩戴珠寶,
41ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
41你們坐在華麗的床上,床前放置了一張桌子,把我的香料和膏油放在上面。
42Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
42在那裡有安逸無憂的群眾發出喧嘩的聲音,有粗俗的人和酒徒從曠野而來,他們把手環戴在兩個婦人的手上,把美麗的冠冕戴在她們頭上。
43Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va?
43 神必重罰兩個婦人“我論到這個因行淫而衰頹的婦人說:現在讓人與她行淫吧,因為她本來就是妓女。
44Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
44他們與她同睡;人怎樣與妓女同睡,也怎樣與阿荷拉和阿荷利巴那兩個淫蕩的婦人同睡。
45Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
45然而必有義人判她們受淫婦和流人血的婦人所受的刑罰,因為她們是淫婦,她們手中染血。
46Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]
46“因為主耶和華這樣說:我必使一大群人上來攻擊她們,使她們驚慌,被人搶掠。
47Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.
47這些人必用石頭打她們,用刀劍砍她們,又殺戮她們的兒女,放火燒毀她們的房屋。
48Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
48這樣,我必使淫蕩從這地止息,好叫所有的婦人都受到警戒,不敢照著她們的淫蕩而行。
49Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
49人要把你們行淫的報應歸在你們身上;你們要擔當你們拜偶像的罪;你們就知道我是主耶和華。”