Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

24

1[Fahitana ny amin'ny vilany fahandroana, ary ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesan'ny vadin'i Ezekiela] Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1肉鍋的比喻第九年十月十日,耶和華的話又臨到我說:
2Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.
2“人子啊!你要記下今天的日子,因為巴比倫王就是在這一天圍困耶路撒冷。
3Ary milazà fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
3你要向這叛逆的民族設比喻,對他們說:‘主耶和華這樣說:把鍋放在火上,放好了,就把水倒在鍋裡;
4ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
4把肉塊,就是所有肥美的肉塊,腿肉和肩肉,都放進鍋裡;用上好的骨頭把鍋裝滿。
5Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angòny eo ambaniny ny taolana]
5要選用羊群中最好的,把柴堆放在鍋底下,使鍋沸騰,把骨頭煮在鍋中。
6Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
6預言耶路撒冷必遭毀滅“‘因此,主耶和華這樣說:流人血的城,就是長鏽的鍋,有禍了!它的鏽未曾除掉,要把鍋裡的東西一塊一塊取出來,不必為它們抽籤。
7Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.
7因為她所流的血還在城中;她把血潑在光滑的磐石上,不是倒在地上,被塵土掩蓋。
8Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
8我為了發烈怒,好施行報應,就把她的血倒在光滑的磐石上,以致不得掩蓋。
9Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
9因此,主耶和華這樣說:流人血的城,有禍了!我也必把柴堆加大。
10Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
10你要多加柴枝,點上火,混和香料,把肉煮爛,使骨頭燒焦;
11Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
11然後把空鍋放在炭火上,使鍋燒熱,使銅燒紅,使其中的污穢熔化,使它的鏽得以除淨。
12Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.
12這鍋真叫人疲累!它厚厚的鏽總沒法除掉,就是用火也不能除掉。
13Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
13你的污穢就是淫蕩。我想要潔淨你,你卻不願意潔淨,所以你的污穢再不能得到潔淨,直等到我向你發的烈怒止息。
14Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
14我耶和華已經說了。時候到了,我必成就;我必不退縮,必不顧惜,也不改變心意;我必照著你的所作所為審判你。這是主耶和華的宣告。’”
15Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
15妻死勿哀的比喻耶和華的話又臨到我說:
16Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
16“人子啊!我要打擊你,把你眼中所喜愛的奪去,你卻不可悲哀,不可哭泣,也不可流淚。
17Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.
17只可靜默地歎息,不可為死人哀悼;你的頭上仍要纏著頭巾,腳上仍要穿著鞋子;你不可蒙著臉,也不可吃為喪家預備的食物。”
18Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
18於是我在早上對眾人說了這事,晚上我的妻子就死了;次日早晨我就照著所吩咐我的行了。
19Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao ataonao izao?
19眾人問我:“你不告訴我們你這樣行與我們有甚麼關係嗎?”
20Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20我回答他們:“耶和華的話臨到我說:
21Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
21‘你要告訴以色列家,主耶和華這樣說:看哪!我必使我的聖所被褻瀆,這聖所就是你們所誇耀的勢力,眼所喜愛的,心中所愛惜的。你們遺下的兒女,都必倒在刀下。
22Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;
22那時你們要照著我所行的去行;你們不可蒙著臉,也不可吃為喪家預備的食物。
23ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
23你們的頭上仍要纏著頭巾,腳上仍要穿著鞋子;你們不可悲哀,不可哭泣;但你們必因自己的罪孽相對歎息,衰弱而死。
24Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
24以西結必成為你們的一個兆頭;凡他所行的,將來你們也要照樣行。這事來到,你們就知道我是主耶和華。’
25Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
25“人子啊!我從他們中間奪去他們的堡壘、他們所喜歡的榮耀、他們眼所喜愛的、心所崇尚的和他們的兒女的時候,
26eny, amin'izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
26豈沒有逃脫的人來到你那裡,使你聽見這事嗎?
27amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
27那時,你要向逃脫的人開口說話,不再作啞巴。你必成為他們的一個兆頭。他們就知道我是耶和華。”