Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

27

1[Ny harena amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1推羅的哀歌耶和華的話臨到我說:
2Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
2“人子啊!你要為推羅作一首哀歌。
3ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
3要對那位於海口,跟沿海邦國通商的推羅說:‘主耶和華這樣說:推羅啊!你曾經說過:我是全然美麗的。
4Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
4你的疆界在眾海中心,建造你的使你全然美麗。
5Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
5他們用示尼珥的松樹做你所有的木板;用黎巴嫩的香柏樹做你的桅杆;
6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
6用巴珊的橡樹做你的槳;用基提沿岸的黃楊木鑲嵌著象牙,做你的艙板。
7Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
7你的帆是用埃及刺繡的細麻布做的,可作你的旗幟;你的篷是用以利沙沿岸的藍色和紫色布做的。
8Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
8西頓和亞發的居民給你蕩槳;推羅啊!你中間的技師作你的舵手。
9Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
9迦巴勒的技師和老練的工匠都在你那裡修補裂縫;所有海上的船隻和水手都在你那裡,與你進行貿易。
10Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[Heb. Loda][Heb. Pota]
10波斯人、路德人、弗人都在你的軍隊中作戰士;他們在你那裡掛起盾牌和頭盔,彰顯你的光榮。
11Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
11在你四圍的城牆上有亞發人和赫勒克人(“赫勒克人”或譯:“你的軍兵”);在你的城樓上有歌瑪底人(“歌瑪底人”或譯:“勇士”)。他們把自己的盾牌掛在你四圍的城牆上,使你全然美麗。
12Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
12“他施人因你各樣豐富的財物,就作你的貿易夥伴;他們用銀、鐵、錫和鉛來換取你的貨物。
13Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
13雅完人、土巴人和米設人都與你通商;他們用奴隸和銅器來換取你的商品。
14Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
14伯陀迦瑪人用馬、戰馬和騾子來換取你的貨物。
15Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]
15底但人與你通商,沿海許多地方都作你貿易的市場;他們用象牙和烏木支付給你。
16Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
16亞蘭人因你的產品很多,就作你的貿易夥伴;他們用綠寶石、紫色布、刺繡、細麻布、珊瑚、紅寶石,來換取你的貨物。
17Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
17猶大和以色列地都與你通商;他們用米匿的麥子、餅、蜜、油和乳香來換取你的商品。
18Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
18大馬士革人因你產品很多,又因你各樣豐富的財物,就用黑本酒和白羊毛(“白羊毛”或譯:“察哈爾羊毛”)來與你交易,
19Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.[Na: vy mamirapiratra][Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]
19威但人用烏薩出的酒(“用烏薩出的酒”原文作“和從烏薩來的雅完人”)來換取你的貨物;他們用鍛鐵、桂皮和菖蒲,來交換你的商品。
20Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
20底但人用馬鞍毯子來與你交易。
21Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
21阿拉伯人和基達所有的領袖都作你通商的顧客;他們用羊羔、綿羊和山羊,來與你交易。
22Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
22示巴和拉瑪的商人都與你交易;他們用各樣上等的香料,各種寶石和黃金,來換取你的貨物。
23Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
23哈蘭人、干尼人、伊甸人、示巴的商人、亞述人和基抹人,都與你交易。
24Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
24他們用美麗的衣服、藍色刺繡的袍子、色彩繽紛的地毯,用繩子綁得結實,在你的市場上與你交易。
25Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.
25他施的船隻運載你的商品,你在海的中心,滿載貨物,極其沉重。
26Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
26給你蕩槳的已經把你蕩到水深之處;東風在海的中心把你吹破。
27Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
27你的財富、貨物、商品、水手、舵手、修補裂縫的、與你進行貿易的,在你那裡所有的戰士,並在你中間所有聚集的人、在你傾覆的日子,都必在海的中心沉下去。
28Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
28因你舵手的呼叫聲,郊野都必震動。
29Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
29所有蕩槳的、水手和航海的舵手,都必離開他們的船隻,站在陸上。
30Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
30他們必為你放聲痛哭,把塵土撒在自己的頭上,在灰中打滾。
31Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
31他們必因你把頭剃光,腰束麻布,為你痛心哭泣,苦苦悲哀。
32Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?
32他們為你哀悼的時候,必為你作一首哀歌:有哪一座城,像在海中沉寂的推羅呢?
33Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
33你的貨物從海上運出去的時候,曾使多國的人飽足;因你豐富的財物和商品,你使地上的君王都富裕。
34Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
34如今你在深水的地方,被海水沖破;你的商品和所有在你那裡聚集的人,都沉下去了。
35Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
35沿海地帶所有的居民都因你驚駭;他們的君王都極其恐慌,面容扭曲。
36Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
36各族的商人都嗤笑你;你必遭遇可怕的災禍,你就永遠不再存在了。’”