1[Faminaniana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;
1耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,
2“人子啊!你要對推羅的君王說:‘主耶和華這樣說:因為你心裡高傲,說:我是神;我在海的中心、坐在神的寶座上。其實你不過是人,並不是神,你心裡卻自以為是神。
3Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!
3你比但以理更有智慧!任何祕密的事都不能隱瞞你!
4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao
4你靠著自己的智慧和聰明,為自己得了財富,把所得的金銀放進自己的府庫裡。
5Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;
5你靠著自己在貿易上的大智慧,增添你的財富,你又因自己的財富心裡高傲。
6Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,
6因此,主耶和華這樣說:因為你心裡自以為是神,
7Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
7所以我要使外族人,就是列國中最強橫的人,來攻擊你;他們要拔出刀來,攻擊你用智慧得來的美物,玷污你的光彩。
8Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.
8他們必使你下到坑中,你必被殺害,死在海的中心。
9Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao
9在殺戮你的人面前,你還能說:我是神嗎?在那些殺害你的人手裡,你不過是人,並不是神。
10Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
10你必死在外族人手裡,與未受割禮的人一樣,因為這是我曾說過的,這是主耶和華的宣告。’”
11Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
11耶和華的話又臨到我說:
12Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
12“人子啊!你要為推羅王作一首哀歌,對他說:‘主耶和華這樣說:你是完美的典範,滿有智慧,全然美麗。
13Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
13你曾在伊甸、 神的園中,有各樣的寶石作你的衣服,就是紅寶石、紅璧璽、金鋼石、水蒼玉、紅瑪瑙、碧玉、藍寶石、綠寶石和紅玉;寶石座是用金製造的,這些都是在你被造的日子就預備好了的。
14Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
14你是護衛寶座的、受膏的基路伯;我安置你在 神的聖山上,你在閃耀如火的寶石中間行走。
15Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
15從你被造的日子起,你的行為都無可指摘,直到在你中間有了罪孽為止。
16Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
16因你的貿易昌盛,你中間就充滿了強暴的事,你也犯了罪,所以我把你當作污穢之物,從 神的山把你拋棄。護衛寶座的基路伯啊!我要把你從閃耀如火的寶石中除掉。
17Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
17你因自己的美麗心裡高傲,又因你的光彩敗壞了你的智慧。所以我把你拋在地上;放在列王面前,好讓他們觀看。
18Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
18你因罪孽眾多,又因貿易上的罪惡,玷污了你的聖所,因此我使火從你中間出來,這火要吞滅你。我要在所有觀看你的人眼前,把你變為地上的灰燼。
19Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
19萬族中認識你的,都必因你驚駭;你必遭遇可怕的災禍,你就永遠不再存在了。’”
20[Faminaniana ny amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20西頓遭報耶和華的話臨到我說:
21Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
21“人子啊!你要面向西頓,說預言攻擊它,
22ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
22你要說:‘主耶和華這樣說:西頓啊,我要與你為敵!我要在你中間得榮耀。我在它身上施行審判,彰顯我的聖潔的時候人就知道我是耶和華。
23Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
23我必使瘟疫進入西頓,使血流在它的街上;必有刀劍四圍攻擊它,使被殺的人倒在城中,人就知道我是耶和華。
24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
24四圍一切恨惡以色列家的人,必不再向他們作刺人的荊棘、使人痛苦的蒺藜。人就知道我是主耶和華。
25Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
25以色列的復興“‘主耶和華這樣說:我把以色列家從他們所分散到的萬族中招聚回來的時候,我必在他們身上向列國顯為聖,以色列家必在自己的地方,就是賜給我僕人雅各的地。
26Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
26他們必安然居住,建造房屋,栽種葡萄園;我向四圍所有恨惡他們的人施行審判以後,他們必安然居住;人就知道我是耶和華他們的 神。’”