1[Ny hamaliana an'i Farao sy ny vahoakany ary ny taniny] Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1將埃及地賜給巴比倫王第十年十月十二日,耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
2“人子啊!你要面向埃及王法老,說預言攻擊他和埃及全地。
3Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.[Na: mamba]
3你要說:‘主耶和華這樣說:埃及王法老啊!我要與你為敵,你這臥在自己河中的大海怪,你曾經說過:“這河是我的,是我自己造的。”
4Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
4但我耶和華必用鉤子鉤住你的腮頰,使你河中的魚都緊貼著你的鱗甲,我必把你和你河中所有緊貼著你的鱗甲的魚,都從你河中拉上來。
5Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
5我必把你和你河中所有的魚,都丟在曠野;你必倒在田間,無人收殮,無人埋葬。我已經把你給了地上的走獸和空中的飛鳥作食物。
6dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.
6埃及所有的居民就都知道我是耶和華。因為你作了以色列家蘆葦的杖。
7(Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
7他們用手抓住你的時候,你就斷裂,傷了他們的肩頭;他們倚靠你,你就折斷、扭傷了他們的腰。
8Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
8因此,主耶和華這樣說:看哪!我必使刀劍攻擊你,把人和牲畜都從你那裡剪除。
9Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
9埃及地必荒涼廢棄,人就知道我是耶和華。“‘因為法老曾說:“這河是我的,是我自己做的。”
10Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.
10所以我必與你和你的河為敵;我必使埃及地,從密奪到色弗尼,直到古實邊界,都全然荒涼廢棄。
11Tsy hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
11人的腳必不經過那裡,獸的蹄也不經過那裡;四十年之久,無人居住。
12Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.[Heb. rava ao amin'ny tany rava][Heb. lao amin'ny tanàna lao]
12我必使埃及成為荒地中的荒地,四十年之久,它的城必成為廢城中的廢城。我必把埃及人分散到列邦,四散在各地。
13Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
13“‘主耶和華這樣說:滿了四十年,我必把埃及人從他們所分散到的萬族中招聚回來。
14Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
14我必使埃及被擄的人歸回,使他們歸回自己根源之地巴忒羅,在那裡他們必成為低微的國。
15Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
15這國必成為列國中最低微的,也必不能再攀到列國之上;我必使他們弱小,以致他們不能再管轄列國。
16Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
16埃及必不再作以色列家的倚靠;每逢以色列家轉去仰賴埃及人的時候,他們就想起自己的罪孽。這樣,他們就知道我是主耶和華。’”
17[Ny babo azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17二十七年正月初一日,耶和華的話臨到我說:
18Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
18“人子啊!巴比倫王尼布甲尼撒使他的軍兵千辛萬苦攻打推羅,以致各人都頭禿肩破;但是他和他的軍兵攻打推羅所付出的辛勞,並沒有從那裡得到甚麼報酬。
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
19因此,主耶和華這樣說:看哪!我必把埃及地賜給巴比倫王尼布甲尼撒,他把埃及的財富帶走,搶其中的財為擄物,奪其中的貨為掠物,作他軍兵的報酬。
20Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
20我把埃及地賜給他,作辛勞的報酬,因為他們都是為我效力的。這是主耶和華的宣告。
21Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
21到了那天,我必使以色列家的角生出來,我也必使你以西結在他們中間開口。他們就知道我是耶和華。”