Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

30

1[Ny andro hitsarana an'i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1懲罰埃及與它的盟邦
2Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
2“人子啊!你要說預言:‘主耶和華這樣說:你們要哀號:那一天有禍了!
3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
3因為那一天臨近了,耶和華的日子臨近了,就是密雲的日子,列國受罰的時候。
4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
4必有刀劍臨到埃及,被殺的人倒在埃及的時候,在古實就有痛苦;埃及的財富必被奪去,它的根基必被拆毀。
5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[Heb. Pota][Heb. Loda]
5古實人、弗人、路德人、所有外族的人、呂彼亞(“呂彼亞”原文作“古巴”)人,以及與埃及結盟的人,都必與埃及人一起倒在刀下。
6Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
6“‘耶和華這樣說:那些支持埃及的必傾倒,埃及所誇耀的勢力必衰落。從密奪到色弗尼,他們都必倒在刀下;這是主耶和華說的:
7Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.[Heb. rava ao amin'ny tany rava][Heb. lao ao amin'ny tanàna lao]
7埃及必成為荒地中的荒地,它的城必成為廢城中的廢城。
8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
8我在埃及點起火來的時候,所有幫助埃及的都必滅亡;那時他們就知道我是耶和華。
9Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
9那一天,必有使者從我面前乘船出去,使安逸無慮的古實人驚慌;在埃及遭難的日子,必有痛苦臨到他們。看哪!這事來到了!
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
10主耶和華這樣說:“‘我必藉著巴比倫王尼布甲尼撒的手,消滅埃及的財富。
11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
11他和跟隨他的人,就是列國中最強橫的人,必被領進來,毀滅這地;他們必拔出刀來攻擊埃及,使遍地滿了被殺的人。
12Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
12我必使江河乾涸,把這地賣給惡人;我必藉著外族人的手,使這地和其中所充滿的,都變成荒涼。我耶和華已經說了。
13Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
13主耶和華這樣說:“‘我必毀滅偶像,使虛無的神像從挪弗滅絕。必不再有君王從埃及地而出;我也必使懼怕臨到埃及地。
14Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;
14我必使巴忒羅荒涼,也必在瑣安點起火來,又向挪施行審判。
15Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
15我必把我的烈怒倒在訓上,就是埃及的保障,並要剪除挪的眾民。
16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]
16我必在埃及點起火來;訓必有大痛苦;挪必被攻破;挪弗必終日受難。
17Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
17亞文和比伯實的年輕人都必倒在刀下;這些城的人必被擄去。
18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
18我在答比匿折斷埃及眾軛的時候,白晝就必變為黑暗;埃及所誇耀的勢力必在其中止息;這城必有密雲遮蓋,城中的居民必被擄去。
19Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
19我必這樣向埃及施行審判,他們就知道我是耶和華。’”
20[Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20折斷法老的膀臂十一年正月初七日,耶和華的話臨到我說:
21Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
21“人子啊!我折斷了埃及王法老的膀臂;看哪!沒有人把它包紮治療,沒有人用繃帶把它纏裹,好讓它有力量拿起刀來。
22Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
22因此,主耶和華這樣說:‘看哪!我與埃及王法老為敵;我必打斷他有力的膀臂,和已經折了的膀臂,使刀從他的手中掉下。
23Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa.
23我必把埃及人分散到列邦,四散在各地。
24Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
24堅強巴比倫王的膀臂“‘我必使巴比倫王的膀臂有力量,把我的刀交在他手中;我要折斷法老的膀臂,使他在巴比倫王面前呻吟,像一個受傷快死的人一樣。
25Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
25我必使巴比倫王的膀臂有力量,法老的膀臂卻要下垂。我把我的刀交在巴比倫王手裡,使他舉刀攻擊埃及地的時候,他們就知道我是耶和華。
26Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
26我必把埃及人分散到列邦,四散在各地;他們就知道我是耶和華。’”