1[Fitomaniana noho ny nanjo an'i Farao sy ny vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1埃及的哀歌十二年十二月初一日,耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]
2“人子啊!你要為埃及王法老作一首哀歌,對他說:‘你像列國中的少壯獅子,又像海中的海怪,你在河中翻騰,用你的爪攪動河水,使江河渾濁。
3Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
3主耶和華這樣說:我必用多國的群眾,把我的網撒在你身上,他們必用我的網把你拉上來。
4Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
4我必把你丟棄在地上,拋擲在田野,使空中的飛鳥都住在你身上,使地上所有的野獸都吃你而得飽足。
5Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.[Heb. hahavonao]
5我必把你的肉丟在山上,把你高大的屍體填滿山谷。
6Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
6我必用你流出的血澆灌地面,直到山上,水溝都必充滿你的血。
7Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
7我毀滅你的時候,必把天遮蔽,使天上的星昏暗,用密雲遮蓋太陽;月亮也必不發光。
8Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
8我必使天上所有的光體都在你以上變為昏暗;我必使黑暗籠罩你的地;這是主耶和華的宣告。
9Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
9我使你在列國中滅亡的消息,傳到你所不認識的列邦的時候,我必使萬族的心感到不安。
10Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
10我在他們面前向你揮動刀劍的時候,他們必因你驚駭,他們的君王也必因你非常恐慌;在你傾覆的日子,他們各人都必為自己的性命時刻戰兢。
11Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
11“‘主耶和華這樣說:巴比倫王的刀必臨到你。
12Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
12我必藉著勇士的刀使你的眾民倒下,這些勇士都是列國中最強橫的人。他們必毀滅埃及所誇耀的;埃及的眾民都必消滅。
13Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
13我必從眾水的旁邊,除滅埃及所有的牲畜;人的腳必不再攪濁這些水,牲畜的蹄也不這樣作。
14Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko hadio]
14那時,我必使眾水澄清,使江河的水像油一樣緩流;這是主耶和華的宣告。
15Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
15我使埃及地荒涼,使這地失去它所充滿的,又擊殺其中所有的居民。那時,他們就知道我是耶和華。
16Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
16這就是人為埃及所唱的哀歌,列國的女子必唱這哀歌;她們必為埃及和它的眾民唱這哀歌。這是主耶和華的宣告。’”
17Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17十二年十二月十五日,耶和華的話臨到我說:
18Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
18“人子啊!你要為埃及的眾民哀號,要把埃及和強國的女子,與下坑的人一同送到地府那裡。
19Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara amin'izay tsy voafora.[Heb. mandria]
19你要對埃及說:‘你比誰更優越呢?你下去與那些沒有受割禮的人一起長眠吧!’
20Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
20他們必倒在那些被刀所殺的人中間;刀既拔出,埃及和它的眾民都要被拉下去。
21Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]
21勇士中最強的必在陰間論到埃及和幫助埃及的說:‘他們已經下來了,他們與沒有受割禮的,就是被刀所殺的人,一起長眠。’
22Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;
22亞述遭報“亞述和它的軍隊都在那裡;他們的墳墓在它周圍;他們都是被殺死的,是倒在刀下的。
23Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
23他們的墳墓是放在坑中極深之處,亞述的眾軍都在它墳墓的周圍,全是被殺死的,是倒在刀下的;他們曾使驚恐散布在活人之地。
24Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
24以攔遭報“以攔也在那裡,它的眾民都在它墳墓的周圍,全是被殺死的,是倒在刀下的;他們沒有受割禮而下到地府去;他們曾使驚恐散布在活人之地,現在他們與下坑的人一同擔當自己的羞辱。
25Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
25在被殺的人中,有床為它和它的眾民安設;他們的墳墓都在它周圍;他們都是沒有受割禮的,是被刀所殺的;他們曾使驚恐散布在活人之地。現在他們與下坑的人一同擔當自己的羞辱;以攔被安置在被殺的人中間。
26Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
26米設和土巴遭報“米設、土巴和它們所有的人民都在那裡;他們的墳墓都在米設和土巴的周圍;他們都是沒有受割禮的,是被刀所殺的;他們曾使驚恐散布在活人之地。
27Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[Heb. mandry][Heb. Sheola]
27他們不都是與那些沒有受割禮而倒斃的勇士一起長眠嗎?這些勇士都帶著兵器下到陰間,刀劍都放在自己的頭下。他們的罪孽是在自己的骨頭上。他們曾使驚恐散布在活人之地。
28Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin'ny voatrabaky ny sabatra.[Heb. mandry]
28法老啊!至於你,你必在沒有受割禮的人中被毀滅,與那些被刀所殺的人一起長眠。
29Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
29以東遭報“以東也在那裡,以東的眾王和所有首領雖然英勇,還是與被刀所殺的人列在一起。他們必與沒有受割禮而下坑的人一起長眠。
30Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
30北方各族與西頓遭報“在那裡有北方的眾首領和所有西頓人;他們都與被殺死的人一同下去,他們雖然英勇,使人驚恐,還是蒙受了羞辱;他們沒有受割禮而與那些被刀所殺的人一起長眠,與那些下坑的人一同擔當羞辱。
31Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[Na. Ahy][Heb. hampandrina]
31“法老看見他們,就必為被刀所殺的眾民,就是法老自己和他的全軍,得了安慰。這是主耶和華的宣告。
32Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[Na. Ahy][Heb. hampandrina]
32雖然我任憑法老使驚恐散布在活人之地,他和他的眾民必在沒有受割禮的人中,與被刀所殺的人一起長眠。這是主耶和華的宣告。”