Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

33

1[Fananterana ny nanendrena an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1守望者的責任(結3:16~21)耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
2“人子啊!你要告訴你本國的人,說:‘我使刀劍臨到一地,那地的人民從他們中間選出一個人,作他們的守望者;
3ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,[Heb. hananatra]
3這人見刀劍臨到那地,就吹響號角,警告眾人;
4nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
4凡聽見號角聲而不接受警告的,刀劍若來把他除滅,他的罪(“罪”原文作“血”)就要歸到自己的頭上;
5Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
5他既然聽見號角聲而不接受警告,所以他的罪(“罪”原文作“血”)要歸到自己的身上;他若接受警告,就可以救回自己的性命了。
6Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.
6但是,那守望的人若見刀劍臨到,卻不吹響號角,以致人民沒有受到警告,刀劍來把他們中間的一個人除滅;那人雖然因自己的罪孽被除滅,我卻要因他的死追究守望的人。’
7Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
7“人子啊!我立了你作以色列家守望的人,所以你要聆聽我口中的話,替我警告他們。
8Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.
8如果我對惡人說:‘惡人啊,你必定死亡!’你以西結卻不出聲警告惡人離開他所行的,這惡人就必因自己的罪孽死亡,我卻要因他的死追究你。
9Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
9如果你警告惡人,叫他離開他所行的,他仍不轉離,他就必因自己的罪孽死亡,你卻救了自己的性命。
10Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
10人的善惡各自負責“人子啊!你要對以色列家說:‘你們這樣說:我們的過犯和罪惡常在我們身上;我們必因此衰弱而死,怎能存活呢?’
11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
11你要對他們說:‘主耶和華這樣宣告:我指著我的永生起誓,我絕不喜悅惡人死亡,卻喜悅惡人離開他所行的,得以存活。以色列家啊,回轉吧!離開你們所行的,何必死亡呢?’
12Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
12人子啊!你要對你本國的人說:‘義人的義在他犯罪的日子,不能救他;惡人的惡在他離開惡行的日子,也不會絆倒他;義人在他犯罪的日子,也不能因他的義存活。’
13Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
13我雖然對義人說他必定生存,但是他若恃著自己的義而行惡,他的一切義都必不被記念;他必因所行的惡死亡。
14Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
14我雖然對惡人說:‘你必定死亡’,但是他若離開他的罪,行公平和正直的事,
15ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
15把抵押歸還,把搶奪人的物件償還,遵行賜生命的律例,不作惡事,他就必存活,不致死亡;
16Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
16他所犯的一切罪,必不被記念;他行了公平和正直的事,就必存活。
17Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo; nefa ny fitondran'ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan']
17“你本國的人還說:‘主所行的不公平。’其實他們所行的才是不公平。
18Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
18義人若離開他的義,去行惡事,他就必因此死亡;
19Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.
19惡人若離開他的惡,去行公平和正直的事,他就必因此存活。
20Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']
20你們還說:‘主所行的不公平。’以色列家啊!我必照著你們各人所行的審判你們。”
21[Ny nisokafan'ny vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
21耶路撒冷失陷的消息在我們被擄以後的第十二年十月初五日,有人從耶路撒冷逃到我這裡來,說:“城已經被攻陷了。”
22Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
22那人來到的前一天晚上,耶和華的手按在我身上,開了我的口。到了早晨,那人來到我這裡,我的口已經開了,不再作啞巴。
23Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
23耶和華的話臨到我說:
24Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
24“人子啊!那些住在以色列地廢墟裡的人常說:‘亞伯拉罕一個人就得了這地為業;我們人數眾多,這地更應該給我們為業。’
25Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
25因此,你要對他們說:‘主耶和華這樣說:你們吃帶血的祭肉,舉目仰望你們的偶像,並且流人的血,你們還可以得這地為業嗎?
26Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
26你們倚仗自己的刀劍,行可憎惡的事,人人玷污鄰舍的妻子,你們還可以得這地為業嗎?’
27Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
27你要對他們這樣說:‘主耶和華這樣說:我指著我的永生起誓,那些在廢墟裡的,必倒在刀下;在田間的,我必交給野獸吞吃;在堡壘和山洞裡的,必因瘟疫而死。
28Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
28我必使這地非常荒涼,它因勢力而有的驕傲必止息;以色列的山都必荒涼,無人經過。
29Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
29我必因他們所行一切可憎惡的事,使這地非常荒涼,那時他們就知道我是耶和華。’
30Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
30先知傳講信息的結果“人子啊!你本國的人在城牆旁邊和各家的門口正在談論你;他們彼此說:‘來吧!聽聽有甚麼話從耶和華那裡出來。’
31Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]
31他們成群來到你那裡,坐在你面前,像是我的子民一樣。其實他們聽了你的話,卻不去行;他們只是用口表示愛慕,他們的心卻是追隨不義之財。
32Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
32在他們眼中,你不過是首情歌,唱得美妙,彈得悅耳,他們聽了你的話,卻不去行。
33Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
33看哪!這事必定應驗,到那時候,他們就知道在他們中間有先知了。”