Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

34

1[Ny amin'ny mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1譴責失職的牧者耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
2“人子啊!你要說預言攻擊以色列眾牧者;你要對他們說預言:‘主耶和華這樣說:以色列眾牧者有禍了!他們只顧牧養自己。牧者豈不應當牧養羊群嗎?
3Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
3你們吃脂油、穿羊毛,宰肥壯的羊,卻不牧養羊群。
4Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
4瘦弱的,你們沒有養壯;患病的,你們沒有醫治;受傷的,你們沒有包紮;被趕散的,你們沒有領回;迷失的,你們沒有尋找;你們反而用強暴嚴嚴地管轄牠們。
5Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.
5牠們沒有牧人,就分散了,作了田野一切走獸的食物。
6Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
6我的羊在眾山和各高岡上流離;牠們分散在全地上,沒有人去尋,也沒有人去找。
7Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
7“‘因此,你們這些作牧者的,要聽耶和華的話:
8Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
8我指著我的永生起誓,我的羊因沒有牧人,就成了獵物,作了田野一切走獸的食物。我的眾牧者不尋找我的羊;他們只顧牧養自己,卻不牧養我的羊。這是主耶和華的宣告。
9dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
9因此,你們這些作牧者的,要聽耶和華的話。
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
10主耶和華這樣說:看哪!我要與眾牧者為敵;我必向他們追討我的羊,使他們不再牧養羊群,也不再牧養自己。我必救我的羊脫離他們的口,不再作他們的食物。
11Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
11耶和華親自作以色列的牧者“‘因為主耶和華這樣說:看哪!我必親自尋覓我的羊,把牠們找出來。
12Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
12牧人在他的羊群四散的時候,怎樣尋找他的羊,我也必照樣尋找我的羊。這些羊在密雲幽暗的日子四散到各處,我要把牠們從那裡救回來。
13Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
13我必把牠們從萬族中領出來,從列邦中聚集牠們,領牠們歸回故土。我必在以色列的群山上,在眾溪水旁,在國內一切居住的地方,牧養牠們。
14Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.[Heb. matavy]
14我必在美好的草場上牧養牠們,以色列的高山必作牧放牠們的地方。在那裡牠們必躺臥在美好的牧場上,牠們必在以色列群山肥美的草場上吃草。
15Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
15我必親自牧養我的羊,親自使牠們躺臥。這是主耶和華的宣告。
16Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
16迷失的,我必尋找;被趕散的,我必領回;受傷的,我必包紮;患病的,我必養壯;肥壯的,我卻要除滅。我也必按著公正牧養牠們。
17Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
17懲罰惡羊“‘我的羊啊!論到你們,主耶和華這樣說:我要在羊與羊之間,在公綿羊與公山羊之間,施行審判。
18Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
18你們在美好的草場上吃草,還不知足嗎?剩下的草,你們竟用腳踐踏;你們喝了清水,剩下的你們竟用腳攪濁。
19Ary ny amin'ny ondriko, moa izay voahosihosin'ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
19我的羊,就只能吃你們用腳踐踏過的,喝你們用腳攪濁了的。
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia.
20“‘因此,主耶和華對牠們這樣說:看哪!我必親自在肥羊與瘦羊之間施行審判。
21Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
21因為你們用腰用肩擁擠所有瘦弱的,又用角牴觸牠們,直到把牠們驅散到外面,
22dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany.
22所以我必拯救我的羊,使牠們不再作獵物。我要在羊與羊之間施行審判。
23Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
23彌賽亞的預言“‘我必立一個牧人,就是我的僕人大衛,看管牠們,牧養牠們。他必牧養牠們,作牠們的牧人。
24Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
24我耶和華必作牠們的 神,我的僕人大衛要在牠們中間作領袖。我耶和華已經說了。
25Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
25“‘我必與牠們立平安的約,使惡獸從境內滅絕,牠們就可以在曠野安居,在樹林中躺臥。
26Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
26我必使他們和我的山四圍都蒙福;我必按時降雨,這就是賜福的雨。
27Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.
27田野的樹木必結果子,地也必有出產;他們必在自己的土地上安居。我打斷他們所負的軛,救他們脫離奴役者的手的時候,他們就知道我是耶和華。
28Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
28他們必不再作列國的獵物,地上的野獸也不再吞吃他們;他們必安然居住,沒有人驚嚇他們。
29Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
29我必給他們興起一個以種植聞名的地方,使他們在境內不再被饑荒消滅,也不再擔當列國的羞辱。
30ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
30那時,他們就知道我耶和華他們的 神與他們同在,並且知道他們以色列家是我的子民。這是主耶和華的宣告。
31Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
31你們是我的羊,是我草場上的羊;我是你們的 神。這是耶和華的宣告。’”