1[Ny hitahian'i Jehovah ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:
1仇敵必受重報“人子啊!你要向以色列的眾山說預言:‘以色列的眾山啊!你們要聽耶和華的話。
2Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
2主耶和華這樣說:因為仇敵攻擊你們說:哈哈!那悠久的山岡都歸給我們為業了。
3Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
3所以你要說預言:主耶和華這樣說:因為敵人使你們荒涼,四圍踐踏你們,好使你們歸給列國中餘剩的人為業,成為人們提說和嘲笑的對象,
4Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
4因此,以色列的眾山啊!你們要聽主耶和華的話;主耶和華對大山、小岡、溪澗、山谷、荒涼的廢墟,被棄的城,就是曾被四圍列國中餘剩的人所劫掠、所譏笑的,這樣說:
5Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
5主耶和華這樣說:我在妒火中說話攻擊列國中餘剩的人和以東眾人,因為他們全心歡喜,滿懷恨惡,把我的地歸給自己為業,好佔有它為掠物。
6Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
6因此,你要向以色列地說預言,對大山、小岡、溪澗和山谷說:主耶和華這樣說:看哪!我在嫉妒和烈怒中說話,因為你們擔當了列國的羞辱。
7Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
7所以主耶和華這樣說:我舉手起誓說:你們四圍的列國必親自擔當自己的羞辱。
8Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
8以色列地必再次蒙福“‘以色列的眾山啊!你們必長出枝條,為我的子民以色列結出果子,因為他們快要回來了。
9Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
9看哪!我是幫助你們的,我必轉向你們,使人可以在你們上面耕種和撒種。
10Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
10我要使以色列全家的人數在你們上面增多;城市有人居住,廢墟可以重建。
11Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
11我必使人和牲畜都在你們上面增多;他們必繁殖增多;我必使你們有人居住,像從前一樣,並要使你們比先前更蒙福。你們就知道我是耶和華。
12Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.[Heb. anao][Heb. ianao]
12我必使人,就是我的子民以色列,在你上面行走;他們必得你為業;你必作他們的產業,也不再使他們喪失子女。
13Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
13主耶和華這樣說:因為人對你說:你是吞吃人的,又是使你的國民喪失子女的。
14Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
14所以你必不再吞吃人,也必不再使你的國民喪失子女。這是主耶和華的宣告。
15Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
15我必使你不再聽見列國的羞辱,你必不再受萬族的辱罵,也不再使你的國民跌倒。這是主耶和華的宣告。’”
16[Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16犯罪受罰耶和華的話又臨到我說:
17Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.[Heb. lalany]
17“人子啊!以色列家住在他們本土的時候,他們的所作所為玷污了那地。他們所行的在我面前,就像在經期中的婦人那樣污穢。
18Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
18所以我因他們在那地上流人的血,又因他們以自己可憎的像玷污那地,就把我的烈怒倒在他們身上。
19Ary naeliko ho any amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany]
19我使他們分散在列邦,四散在各地;我按著他們的所作所為審判他們。
20Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
20他們到了所去的列邦那裡,我的聖名就被褻瀆,因為人總是談論他們說:‘這些是耶和華的子民,他們卻要從耶和華的地出來。’
21Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay nalehany.
21我卻顧惜我的聖名,就是以色列家在他們所去的列邦那裡所褻瀆的。
22Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.
22施憐憫的主“因此,你要對以色列家說:‘主耶和華這樣說:以色列家啊!我作這事,不是為了你們,而是為了我自己的聖名,就是在你們所去的列邦那裡所褻瀆的,
23Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
23我要使我的大名顯為聖,這名在列邦中已經被褻瀆了,是你們在他們中間所褻瀆的。我在你們身上向他們顯為聖的時候,他們就知道我是耶和華。這是主耶和華的宣告。
24Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo.
24我必從列國中領你們出來,從萬邦中聚集你們,把你們帶回故土。
25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
25我必用潔淨的水灑在你們身上,你們就潔淨了;我必潔淨你們的一切污穢,使你們遠離所有可憎的像。
26Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
26賜新心的應許“‘我必把新心賜給你們,把新靈放在你們裡面;我必從你們的肉體中除去石心,把肉心賜給你們。
27Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
27我必把我的靈放在你們裡面,使你們遵行我的律例,謹守遵行我的典章。
28Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
28你們要住在我賜給你們列祖的地;你們要作我的子民,我要作你們的 神。
29Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
29我必拯救你們脫離你們的一切污穢;我必叫五穀豐收,不使你們遇見饑荒。
30ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.
30我必使樹木的果子和田地的出產增多,好使你們在列國中不再因饑荒而遭受恥辱。
31Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
31那時,你們必想起你們的惡行和不好的作為,就必因你們的罪孽和可憎惡的事厭惡自己。
32Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
32你們要知道我這樣行,不是為了你們的緣故;以色列家啊!你們要因自己的行為抱愧蒙羞。這是主耶和華的宣告。
33Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
33以色列的復興“‘主耶和華這樣說:我潔淨你們,使你們脫離一切罪孽的日子,我必使城市有人居住,廢墟可以重建。
34Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.
34從前所有路過的人都看為荒涼之地,現在卻必再可以耕種。
35Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
35他們必說:“先前這荒涼之地,現在竟像伊甸園一樣;這些廢棄、荒涼、毀壞了的城市,現在卻成了堅固城,有人居住了。”
36ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
36那時,在你們四圍所餘剩的列國,就必知道我是耶和華,是我重建了那些毀壞的地方,栽植了那些荒涼之地。我耶和華說了,就必實行。
37Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
37“‘主耶和華這樣說:我還要讓以色列家求我為他們增加人數,多如羊群。
38Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
38守節的時候,在耶路撒冷作祭牲的羊群是怎樣多,那些荒廢了的城市也必照樣滿了人群。他們就知道我是耶和華。’”