1[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
1枯骨復生的異象耶和華的手按在我身上;耶和華藉著他的靈領我出去,把我放在平原上,這平原布滿了骸骨。
2Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
2他帶我在骸骨的四圍經過;我看見平原上面有很多骸骨,都非常枯乾。
3Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
3他問我:“人子啊!這些骸骨能活過來嗎?”我回答:“主耶和華啊!唯有你才知道。”
4Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
4他又對我說:“你要向這些骸骨說預言,對它們說:‘枯乾的骸骨啊!你們要聽耶和華的話。
5Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
5主耶和華對這些骸骨這樣說:看哪!我必使氣息進入你們裡面,你們就活過來了。
6ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6我必使你們生筋長肉,給你們包上皮,又把氣息放入你們裡面,你們必活過來;你們就知道我是耶和華。’”
7Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
7於是我遵命說預言;我正在說預言的時候,就聽見有響聲,骨頭與骨頭互相結合起來,格格作響。
8Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
8我觀看,見骸骨生了筋,長了肉,又有皮包在上面,只是它們裡面還沒有氣息。
9Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
9他對我說:“你要向氣息說預言。人子啊!你要說預言。你要向氣息說:‘主耶和華這樣說:氣息啊!你要從四方(“四方”原文作“四風”)而來,吹在這些被殺的人身上,使它們活過來。’”
10Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
10於是我遵命說預言,氣息就進入骸骨裡面,骸骨就活過來,並且站起,成了一支極大的軍隊。
11Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
11枯骨的寓意他對我說:“人子啊!這些骸骨就是以色列全家;他們常說:‘我們的骸骨枯乾了,我們的盼望消失了;我們都滅亡了。’
12Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely;
12因此,你要說預言,對他們說:‘主耶和華這樣說:我的子民哪!我要打開你們的墳墓,把你們從墳墓中領上來,帶你們回以色列地去。
13ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo.
13我的子民哪!我打開你們的墳墓,把你們從墳墓中領上來的時候,你們就知道我是耶和華。
14Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
14我要把我的靈放在你們裡面,你們就活過來;我要把你們安頓在你們的土地上,你們就知道我耶和華說了,就必實行。這是主耶和華的宣告。’”
15Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
15兩杖合一的比喻耶和華的話又臨到我說:
16Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
16“人子啊!你要拿一根木杖,在上面寫‘猶大和那些與他一起的以色列人’;又拿另一根木杖,在上面寫‘以法蓮的木杖,就是約瑟和與他一起的以色列全家’。
17Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
17你要把這兩根木杖連接在一起,使它們在你手裡成為一根。
18Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?
18如果你本國的人民問你:‘你不告訴我們這些木杖是甚麼意思嗎?’
19dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
19你就要回答他們:‘主耶和華這樣說:看哪!我要拿約瑟和與他一起的以色列眾支派的木杖,就是在以法蓮手裡的,跟猶大的木杖連接在一起,使它們在我手裡成為一根。’
20Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
20你寫上了字的那兩根木杖,要在他們眼前握在手裡;
21Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
21你要對他們說:‘主耶和華這樣說:看哪!我要把以色列人從他們所到的列國中領出來,又從四圍聚集他們,把他們領回故土。
22ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
22我要使他們在那地上,在以色列的眾山上,成為一國;必有一王統治他們眾人;他們不再是兩個國,不再分為兩個邦。
23Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
23他們必不再因自己的偶像和可憎的像,以及一切過犯,而玷污自己;我必拯救他們脫離一切背道的罪(“背道的罪”有古卷作“他們在其中犯罪的住處”);我必潔淨他們,他們就必作我的子民,我必作他們的 神。
24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
24永遠的約“‘我的僕人大衛必作他們的王;他們眾人只有一個牧者。他們必遵行我的典章,謹守實行我的律例。
25Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
25他們必住在我所賜給我僕人雅各的地上,就是你們列祖所住的地。他們和他們的子孫,以及子孫的子孫,都必永遠住在那裡;我的僕人大衛必永遠作他們的領袖。
26Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
26我要與他們立平安的約,是一個永遠的約;我必堅立他們,使他們人數增多,又在他們中間設立我的聖所,直到永遠。
27Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
27我的居所必在他們當中;我要作他們的 神,他們要作我的子民。
28Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
28我的聖所必永遠在他們中間,列國就知道我是耶和華,是我使以色列成聖的。’”