1[Ny handresena an'i Goga sy Magoga mbamin'ny firenena maro izay ho entiny hiady amin'ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1攻擊歌革的預言耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
2“人子啊!你要面向瑪各地的歌革,就是羅施、米設和土巴的首領,說預言攻擊他,
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
3說:‘主耶和華這樣說:羅施、米設和土巴的首領,我要與你為敵。
4Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
4我必使你轉過來,用鉤子鉤住你的腮頰,把你和你的全軍、馬匹和騎兵,都領出來,他們都穿著全副軍裝,成為大隊人馬,配備大小盾牌,各人緊握刀劍。
5miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota]
5還有波斯人、古實人和弗人與他們在一起,各人都配備盾牌和頭盔;
6Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
6又有歌篾人和他們的全軍,北方極處的陀迦瑪族和他們的全軍,這許多民族都與你在一起。
7Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.[Na: mpitandrina]
7“‘你要準備好,你和那聚集到你那裡的各隊都要準備好;你要作他們的大帥。
8Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
8過了許多日子,你必被徵點出戰;在以後的年間,你必來攻擊那脫離刀劍的地,就是那從列邦聚集回來的人所住的地;你必來攻擊以色列這些久已荒涼的山;他們是從萬族中領出來的,都在那裡安然居住。
9Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.
9你和你的軍隊,以及與你在一起的許多民族,都必像暴風上來,像密雲遮蓋那地。
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
10歌革的暴行與惡謀“‘主耶和華這樣說:到那日你心中必起意念,圖謀惡計,
11ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
11說:我要上去攻擊那些沒有城牆的鄉村;我要來攻擊那些生活平靜的人,他們都安然居住,沒有城牆,沒有門閂。
12mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
12你要搶奪財物,擄掠貨物,伸手攻擊那些從前荒廢、現在有人居住的地方,攻擊那些從列邦招聚出來,得了牲畜財物,又住在世界中心的人民。
13Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
13示巴人、底但人和他施各城鎮的商人都必問你:你來是要搶奪財物嗎?你聚集軍隊是要擄掠貨物嗎?是要搬走金銀、擄去牲畜財物嗎?是要大肆搶掠嗎?’
14Koa maminania, ry zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
14“因此,人子啊!你要對歌革說預言:‘主耶和華這樣說:到那日,我的子民以色列安然居住的時候,你豈不會留意嗎?
15Ary ho tonga avy any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
15你必從你的地方,從北方的極處,與許多民族一起而來,都騎著馬,成為一大隊強盛的軍兵。
16ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny ataoko aminao, ry Goga.
16你必上來攻擊我的子民以色列,像密雲遮蓋那地一樣。歌革啊!在以後的日子,我必領你來攻擊我的地,好叫列國在我藉著你向他們顯為聖的時候,能認識我。
17Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
17主的烈怒“‘主耶和華這樣說:我從前藉著我的眾僕人以色列的先知所說的,豈不是你嗎?在那些年間,他們曾預言我必領你來攻擊以色列人。
18Ary amin'izany andro izany, dia ny andro hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
18歌革來攻擊以色列地的日子,我的怒氣必從我的鼻孔中發出來。這是主耶和華的宣告。
19Fa amin'ny fahasaro-piaroko sy ny afon'ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin'ny tanin'ny Isiraely,
19我在妒恨和怒火之中說:到那日,以色列地必有大地震。
20ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
20海裡的魚、空中的飛鳥、田野的走獸、在地上爬行的各種動物,以及地上的眾人,都要在我面前震動。眾山必崩裂,懸崖必塌陷,所有的牆垣都必倒在地上。
21Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.
21我必呼喚刀劍在我的眾山上攻擊歌革,各人的刀劍必攻擊自己的兄弟。這是主耶和華的宣告。
22Ary hamaly azy amin'ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.[Heb. hifandahatra aminy]Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
22我必用瘟疫和血腥懲罰他;我必把暴雨、大冰雹、火和硫磺降在他和他的軍隊,以及與他在一起的許多民族身上。
23Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
23我必顯為大、顯為聖,在列國的人眼前顯現自己。這樣,他們就知道我是耶和華。’”