Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

39

1Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
1預言歌革的失敗與刑罰“人子啊!你要向歌革說預言:‘主耶和華這樣說:羅施、米設和土巴的首領歌革啊!我要與你為敵。
2Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
2我要使你轉過來,帶你從北方的極處上來,領你去攻擊以色列的眾山。
3Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.
3然後,我要擊落你左手的弓,打落你右手的箭。
4Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
4你必倒在以色列的眾山之上,你所有的軍隊和跟你在一起的萬族,都必這樣;我要把你給各種食肉的飛鳥和田野的走獸作食物。
5Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
5你必倒在田野,因為我已經說過了。這是主耶和華的宣告。
6Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
6我必降火在瑪各和安居在沿海地帶的人身上,他們就知道我是耶和華。
7Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
7“‘我要在我子民以色列中彰顯我的聖名,我必不再讓我的聖名被褻瀆;這樣,列國就知道我是耶和華,是以色列中的聖者。
8Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
8看哪!那日子臨近了,事情必定應驗,這就是我所說過的那一天。這是主耶和華的宣告。
9Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
9“‘那時,以色列各城的居民必出來,把武器當柴焚燒,就是大小的盾牌、弓、箭、槍和矛,都當柴焚燒,足有七年的時間。
10fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
10他們不必從田野撿柴,也不必從樹林裡伐木,因為他們必把武器當柴燒;他們必搶劫那些曾搶劫他們的人,掠奪那些掠奪他們的人。這是主耶和華的宣告。
11Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]
11埋葬歌革之地“‘到那日,我必在以色列給歌革一塊墳地,就是那些朝東往死海去的人所經過的谷。這墳地使過路之人無法通過,因為那裡埋葬了歌革和他的眾軍。因此,那地必稱為哈們.歌革谷。
12Ary fito volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
12以色列家要用七個月的時間去埋葬他們,為要潔淨那地。
13Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
13那地所有的人民都必埋葬他們。這是我得榮耀的日子,以色列人也必因此得享美名。這是主耶和華的宣告。
14Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
14他們必分派人經常遍行那地,與過路的人一起埋葬那些還留在地面上的屍體,為要潔淨那地;過了七個月,他們還要繼續搜索。
15ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
15他們遍行那地,見有人的骸骨,就在旁邊立個標記,等埋葬的人來把骸骨葬在哈們.歌革谷。
16Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona maro be]
16那裡也有一座城名叫哈摩那。他們必這樣潔淨那地。’
17Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
17“人子啊!主耶和華這樣說:你要對各類的飛鳥和田野的走獸說:‘你們集合起來,從四圍聚集來吃我為你們所預備的祭肉。以色列眾山上要獻大祭,好叫你們吃肉喝血。
18Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
18你們要吃勇士的肉,喝那地眾領袖的血,就如吃公綿羊、羊羔、公山羊和公牛,全部都是巴珊的肥畜。
19Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
19你們吃我為你們所預備的祭,必吃飽脂油,喝醉了血。
20Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
20你們必在我的筵席上吃飽馬匹、騎兵、勇士和所有的戰士。這是主耶和華的宣告。’
21Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
21以色列蒙恩回歸“我必在列國中彰顯我的榮耀,萬邦必看見我施行的審判,和我加在他們身上的手。
22Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.
22這樣,從那日起,以色列家就必知道我是耶和華他們的 神。
23Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
23列國也必知道以色列家是因自己的罪孽被擄去。他們對我不忠,所以我掩面不顧他們,把他們交在敵人手中,他們就都倒在刀下。
24Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
24我是照著他們的污穢和過犯對待他們,並且掩面不顧他們。
25Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
25“因此,主耶和華這樣說:現在我要使雅各被擄的歸回;我要憐憫以色列全家,又為我的聖名大發熱心。
26Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra]
26他們在自己的土地上安然居住、無人驚嚇的時候,就要擔當自己的羞辱和向我所犯一切不忠的罪;
27rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
27我把他們從萬族中領回來,從仇敵之地召回來的時候,我必在他們身上向列國顯為聖。
28dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
28我使他們被擄到列國去,後來又聚集他們到自己的土地,連一個也不再留在列國那裡。這樣,他們就知道我是耶和華他們的 神。
29Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
29我也不再掩面不顧他們,因為我已經把我的靈澆灌在以色列家。這是主耶和華的宣告。”