Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

40

1[Ny fahitana naseho tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
1建城的異象我們被擄後第二十五年,耶路撒冷城被攻陷後第十四年的年初;那月的初十日,耶和華的手按在我身上;他把我帶到那裡去。
2Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.
2在 神的異象中,他帶我到以色列地,把我安置在一座很高的山上;在山上的南面,有好像是一座城的建築物。
3Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
3他把我帶到那裡,我見有一個人,他看來像銅,手裡拿著麻繩和測量竿,站在門口。
4Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
4那人對我說:“人子啊!我所要指示你的,你都要用眼看,用耳聽,並要放在心上,因為我帶你到這裡來,為的是要指示你;你所看見的,你都要告訴以色列家。”
5Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
5城牆我見殿四圍有牆,那人手裡的測量竿長三公尺。他量了那建築物,牆厚三公尺、高三公尺。
6Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany.[Na: ary eran'ny volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]
6東面他到了朝東的門,上了門的臺階,量度門檻,厚三公尺;又量另一個門檻,厚三公尺。
7Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
7又有守衛室,長三公尺、寬三公尺;守衛室與守衛室之間,相隔兩公尺半;朝向殿內,在門廊旁邊的門檻,厚三公尺。
8Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
8他又量朝向殿內的門廊(有古卷加“厚三公尺”)。
9Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
9門廊深四公尺;牆柱厚一公尺;門廊是朝向殿內的。
10Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
10東門的守衛室,這邊有三間,那邊有三間;三間都是一樣的長寬;兩邊的牆柱都是一樣的厚。
11Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
11他量了東門,入口寬五公尺,通道寬六公尺半。
12Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
12每個守衛室前面都有矮牆,高五十公分,兩邊守衛室都是一樣。守衛室長三公尺,兩邊都是一樣。
13Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
13他量了東門,從這邊房頂到那邊房頂,就是從這邊守衛室後面的門到那邊守衛室後面的門,寬十二公尺半。
14Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
14又沿著裡面各牆柱量度,直到朝向院子的牆柱,共長三十公尺(原文意思不詳,有古譯本作“又量了門廊,寬十公尺,牆柱外面周圍是院子”)。
15Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
15從東門前面的入口到後面的門廊,共二十五公尺。
16Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.[Na: sady manodidina azy ny vavahady][palma]
16守衛室和東門裡面周圍的牆柱,以及門廊,都有小窗;裡面周圍都有小窗;牆柱上還刻有棕樹。
17Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
17外院他帶我到了外院,我見有些房子,院子周圍有鋪石地,鋪石地上有三十間房子。
18Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.
18鋪石地在各大門的旁邊,比門矮一點,寬度與門的長度相同。
19Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
19他從下面的大門量到內院的外牆,共寬五十公尺;東面、北面,都是一樣。
20An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
20外北門他又量了外院朝北大門的長度和寬度。
21Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
21裡面的守衛室,這邊有三間,那邊有三間;牆柱和門廊的尺寸都與東門的一樣;北門全長二十五公尺,寬十二公尺半。
22Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]
22它的窗子、門廊和雕刻的棕樹,都與東門的一樣;人要登七級臺階才到這門,前面盡頭是門廊。
23Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
23內院有門與這門相對;北面、東面,都是一樣;他從這門量到那門,共有五十公尺。
24Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
24外南門他領我向南走,我就看見朝南的門。他量了牆柱和門廊,大小與先前的一樣。
25Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
25門的裡面和門廊周圍都有窗子,與先前的窗子一樣。南門全長二十五公尺,寬十二公尺半。
26Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]
26人要登七級臺階才到這門,前面盡頭是門廊,牆柱上兩邊都刻有棕樹。
27Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
27內院南面也有門;他從這門量到南門,共有五十公尺。
28Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
28內院他領我從內院的南門進到內院,量了這門,大小與先前的一樣。
29ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
29內南門守衛室、牆柱和門廊的尺寸都與先前的一樣;門的裡面和門廊周圍都有窗子。這門全長二十五公尺,寬十二公尺半(有古卷加“周圍有門廊,長十二公尺半,寬兩公尺半”之句)。
30Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
30
31Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
31門廊朝向外院;牆柱刻有棕樹;臺階共有八級。
32Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
32內東門他領我到內院的東門,他量了那門,大小與先前的一樣。
33Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
33守衛室、牆柱和門廊的尺寸都與先前的一樣;門的裡面和門廊的周圍都有窗子。這門全長二十五公尺,寬十二公尺半。
34Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
34門廊朝著外院;牆柱上兩邊都刻有棕樹;臺階共有八級。
35Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
35內北門他領我到內院的北門,量了那門,大小與先前的一樣;
36ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
36守衛室、牆柱和門廊,都是一樣。門的裡面周圍都有窗戶;這門全長二十五公尺,寬十二公尺半。
37Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]
37門廊(這譯法參古譯本,“門廊”原文作“牆柱”)朝向外院;牆柱上兩邊都刻有棕樹,臺階共有八級。
38Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
38預備宰殺祭牲的地方在各門的牆柱旁邊都有一間有門的房子;那裡是洗燔祭牲的地方。
39Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
39在門廊裡,這邊有兩張桌子,那邊也有兩張桌子,在上面可以宰殺燔祭牲、贖罪祭牲和贖愆祭牲。
40Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
40在北門入口的臺階那裡,朝向外面的一邊有兩張桌子,朝向門廊的另一邊也有兩張桌子。
41Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
41在大門兩邊,這邊有四張桌子,那邊也有四張桌子,共有八張,供宰殺祭牲之用。
42Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
42另有四張桌子供燔祭使用,是用鑿好的石頭做的,長七十五公分,寬七十五公分,高五十公分,宰殺燔祭牲和其他祭牲所用的器皿是放在那裡的。
43Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[Na: nisy filirany][Na: ny habeny]
43周圍的牆上釘有鉤子,各長七公分半。桌子上放有獻祭的肉。
44Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
44祭司廂房內院的門外有兩間(這譯法參古譯本,“兩間”原文作“供歌唱的人使用的”)房子:一間在北門旁邊,朝向南面;一間在南門旁邊,朝向北面。
45Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
45他對我說:“這間朝向南面的房子是給那些負責聖殿職事的祭司使用的。
46Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
46那間朝向北面的房子是給那些負責祭壇職事的祭司使用的。這些祭司都是撒督的子孫,在利未人中只有他們可以近前來事奉耶和華。”
47Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
47他又量了內院,長五十公尺,寬五十公尺,是正方形的;祭壇就在殿的前面。
48Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
48聖殿走廊他領我到聖殿的門廊,量了門廊的牆柱,這邊厚兩公尺半,那邊厚兩公尺半。門口寬七公尺(這譯法參古譯本,原文沒有“七公尺”),門的內牆,這邊一公尺半,那邊一公尺半。
49Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
49門廊寬十公尺,深六公尺(這譯法參古譯本,“六公尺”原文作“七公尺”);人要登臺階才上到門廊;牆柱旁邊有柱子,這邊一根,那邊一根。