1[Ny amin'ny handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1拜偶像者的懲罰耶和華的話臨到我說:
2Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
2“人子啊!你要面向以色列的群山說預言,
3ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
3說:‘以色列的群山,當聽主耶和華的話!主耶和華對大山、小山、溪澗和山谷這樣說:看哪!我必使刀劍臨到你,毀滅你們的邱壇。
4Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
4你們的祭壇必然荒廢,你們的香壇要被打碎;我要使你們被殺的人倒在你們的偶像面前。
5Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
5我要把以色列人的屍體放在他們的偶像面前,又把你們的骸骨拋散在你們祭壇的周圍。
6Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na: tsangam-batonareo]
6在你們居住的一切地方,城鎮都必荒涼,邱壇都必荒廢,以致你們的祭壇荒廢被棄,你們的偶像被打碎、被消滅,你們的香壇要被砍下,你們所製造的要被除滅;
7Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7被殺的人必倒在你們中間,你們就知道我是耶和華。
8Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
8遺民蒙恩免災“‘但我要保留一些餘剩的人,你們分散在各地的時候,你們必有人在列國中從刀劍下逃出來。
9Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
9那時,逃脫的人必在被擄去的列國中想起我怎樣為了他們而傷痛,因為他們動了淫亂的心離棄我,他們邪淫的眼戀慕偶像;那時他們必為了自己所行的惡事和他們一切可憎的事厭惡自己。
10Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
10他們必知道我是耶和華,我說要降這災禍在他們身上的話並不是空話。’”
11Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
11行惡者必遭災禍主耶和華這樣說:“你要拍手頓足,說:‘哀哉!因以色列家一切可憎的惡事,他們必倒在刀劍、饑荒、瘟疫之下。’
12Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
12在遠處的必因瘟疫死亡,在近處的必倒在刀劍之下,那餘下被圍困的也必因饑荒死亡。我必這樣在他們身上完全發盡我的烈怒。
13Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
13他們被殺的人倒在他們偶像的中間,在他們祭壇的周圍,就是在各高岡各山頂上,在每一棵翠綠的樹下和茂盛的橡樹下,就是他們獻馨香的祭給一切偶像的地方。那時,他們就知道我是耶和華。
14Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
14我必伸手攻擊他們,使他們一切居住的地方,從曠野到第伯拉他,都變成非常荒涼,他們就知道我是耶和華。”