Malagasy

聖經新譯本

Ezekiel

7

1[Ny amin'ny handringanana ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1終局已到耶和華的話臨到我說:
2Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
2“人子啊!主耶和華對以色列地這樣說:‘終局到了!終局臨到這地的四境了!
3Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
3現在終局已經臨到你了。我要發怒攻擊你,按著你的行為審判你,照著你一切可憎的事報應你。
4Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
4我的眼必不顧惜你,我也不憐恤你,我卻要按著你的行為,照著你中間可憎的事報應你,你們就知道我是耶和華。’
5Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy![Heb. loza iray]
5主耶和華這樣說:‘看哪,獨特的災禍,臨到了!
6Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
6終局到了,終局臨到了,它已經起來跟你作對。看哪,它臨到了!
7Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
7這地的居民哪,災害臨到你了!時候到了,日子近了,是混亂喧嚷的日子,不是山上歡呼的日子。
8Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
8現在我快要把我的烈怒倒在你身上,向你完全發盡我的怒氣。我要按著你的行為審判你,照著你一切可憎的事報應你。
9Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
9我的眼必不顧惜,我也不憐恤。我卻要按著你的行為,照著你中間可憎的事報應你,你們就知道擊打你們的是我耶和華。
10Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
10罪的懲罰“‘看哪,這日子到了!災害已經發出,杖已經開花,狂傲已經發芽。
11Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]
11強暴興起,成了懲罰邪惡的杖,他們無一存留,他們的群眾都不在了。他們的財富沒有了,他們中間也沒有尊榮。
12Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
12時候到了,日子近了,買的不必歡喜,賣的不用憂愁;因為烈怒要臨到眾人身上。
13Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
13賣的人雖然還活著,卻不能得回所賣的。因為這個關乎眾人的異象必不更改。因為罪孽的緣故,沒有人能保全自己的性命。
14Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
14 神的烈怒與審判“‘他們吹了號角,準備了一切,卻沒有人出去作戰;因為我的烈怒要臨到眾人身上。
15Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.
15城外有刀劍,城內有瘟疫和饑荒;在田野的必死在刀下,在城裡的必被饑荒和瘟疫吞滅。
16Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
16他們中間逃脫的,必因自己的罪孽在山上發出哀聲,像谷中的鴿子哀鳴一樣。
17Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
17他們的手都發軟,他們的膝像水一般軟弱。
18Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]
18他們必用麻布束腰,戰兢把他們遮蓋,各人的臉上滿是羞愧,各人的頭上都光禿。
19Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
19他們要把自己的銀子拋在街上,把自己的金子當作污穢之物。在耶和華發怒的日子,他們的金銀不能拯救他們,不能滿足他們的心,也不能填滿他們的肚腹,因為這些金銀都成了叫他們落在罪孽裡的絆腳石。
20Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
20他們以美麗的飾物為誇耀,又用這些來鑄造可憎可厭的偶像,因此我要使它們成為污穢之物。
21Ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
21我要把它們交在外族人的手裡作掠物,給地上的惡人作戰利品,他們必褻瀆這些東西。
22Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
22我必轉臉不看他們,讓他們褻瀆我的聖所。強盜要進那裡去,褻瀆那地方。
23Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
23你要製造鎖鍊,因為這地滿了血腥(“血腥”或譯:“流血的審判”),這城滿了強暴。
24Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
24我要使列國中最兇惡的人來佔領他們的房屋;我要止息強盛者的驕傲,他們的聖所都被褻瀆。
25Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.[Na: fampangovitana]
25驚恐臨到,他們就求平安,卻得不著。
26Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
26災禍加上災禍,壞消息加上壞消息,不絕而來,他們要向先知求異象,但是,祭司的教訓、長老的指導,都必斷絕,
27Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
27君王要悲哀,官長要把淒涼當作衣服穿上,那地人民的手都要發顫。我要按著他們的行為待他們,按著他們審判的法則審判他們,他們就知道我是耶和華。’”