1[Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.
1以西結在異象中被提第六年六月五日,我坐在家中,猶大的眾長老也坐在我面前,在那裡主耶和華的靈降在我身上。
2Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
2我觀看,見有一形狀好像人的樣子,在那仿佛是他腰部以下,有火的樣子,在那仿佛是他腰部的以上有光輝的樣子,好像閃耀的金屬。
3Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
3他伸出一隻形狀像手的東西,抓住我的一綹頭髮;靈就把我提到天地之間,在 神的異象中,他把我帶往耶路撒冷,到聖殿北門內院的入口處,在那裡有令 神憤恨的偶像的座位。
4Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.
4不料,在那裡有以色列 神的榮耀,形狀與我在平原所見的一樣。
5Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
5耶路撒冷的偶像崇拜他對我說:“人子啊!舉目向北觀看。”我就舉目向北觀看,見祭壇門的北面,在入口的地方,有令 神憤恨的偶像。
6Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
6他又對我說:“人子啊!以色列家在這裡所行的,就是他們行這極其可憎的事,使我遠離我的聖所,你看見了嗎?但你還要看見更加可憎的事。”
7Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.
7他領我到院子的門口;我觀看,見牆上有一個洞。
8Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
8他對我說:“人子啊,挖牆吧!”我就挖牆,不料,見有一道門。
9Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
9他對我說:“你進去,看看他們在那裡所行可憎的惡事。”
10Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
10於是我進去觀看,見四圍的牆上刻著各種形狀的爬行物,和可憎惡的走獸,以及以色列家所有的偶像。
11Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
11站在這些像面前的有以色列家的七十個長老,沙番的兒子雅撒尼亞也站在他們中間;各人手裡拿著自己的香爐,香的煙往上升。
12Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]
12他對我說:“人子啊!以色列家的眾長老各在自己偶像的房間裡暗中所行的,你看見了嗎?他們說:‘耶和華看不見我們,耶和華已經離開這地了。’”
13Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
13他又對我說:“你還要看見他們行更加可憎的事。”
14Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
14他領我到耶和華殿朝北的門口,在那裡有些婦女坐著,為搭模斯哭泣。
15Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
15他對我說:“人子啊,你看見了嗎?你還要看見比這些更可憎的事。”
16Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
16他又領我到耶和華殿的內院,在耶和華殿的門口,就是在走廊和祭壇中間,約有二十五個人,背向耶和華的殿,面向著東方;他們正在朝著東面叩拜太陽。
17Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
17懲罰的警告他對我說:“人子啊,你看見了嗎?猶大家在這裡行這可憎的事,還算小事嗎?他們使這地充滿了強暴,再三惹我發怒;看哪!他們把樹枝拿到自己的鼻前。
18Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
18因此我要以烈怒待他們;我的眼必不顧惜,我也不憐恤;他們雖然在我耳中大聲呼求,我還是不聽他們。”