1[Famporisihana ny olona hanao ny tempoly] Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
1責備人民拖延重建聖殿大利烏王第二年六月一日,耶和華的話藉著哈該先知臨到撒拉鐵的兒子、猶大省長所羅巴伯,和約撒答的兒子大祭司約書亞,說:
2Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah.
2“萬軍之耶和華這樣說:‘這民說,重建耶和華殿宇的時候還沒有到。’”
3Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
3於是,耶和華的話臨到哈該先知說:
4Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
4“這殿宇仍然荒廢,豈是你們住在有天花板的房屋的時候嗎?”
5Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
5現在萬軍之耶和華這樣說:“你們要反省自己的行為。
6Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
6你們撒的種多,收割的卻少;你們吃,卻吃不飽;你們喝,卻喝不足;你們穿衣服,卻穿不暖;得工錢的,卻把工錢放在破袋裡。”
7Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
7勸勉人民動工重建萬軍之耶和華這樣說:“你們要反省自己的行為。
8Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.[Na: amin'ny tany havoana]
8你們要上山取木材,建造殿宇;我必因此喜悅,並且得榮耀。”耶和華說:
9Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
9“你們期望豐收,反倒歉收;你們收到家裡的,我就吹去。”為甚麼呢?萬軍之耶和華說:“因為我的殿宇荒廢,你們各人卻為自己的房屋奔馳。
10Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.
10所以,因你們的緣故,天就不降甘露,地也不出土產。
11Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tanana.
11我叫乾旱臨到大地、群山、五穀、新酒、新油、地上的出產、人畜和人手勞碌得來的一切。”
12Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
12勸勉的果效那時,撒拉鐵的兒子所羅巴伯、約撒答的兒子大祭司約書亞和所有餘剩的子民,都聽從了耶和華他們 神的話,聽從了耶和華他們 神所差來的哈該先知的話。眾民在耶和華面前都存著敬畏的心。
13Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
13耶和華的使者哈該,奉耶和華的命,對眾民說:“耶和華說:‘我與你們同在。’”
14Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny,tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.
14於是耶和華激發了撒拉鐵的兒子、猶大省長所羅巴伯的心,和約撒答的兒子大祭司約書亞的心,以及所有餘剩子民的心,他們就來興工建造萬軍之耶和華他們 神的殿宇。
15tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.
15那時是大利烏王第二年六月二十四日。