1Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
1指摘耶路撒冷的罪這叛逆、污穢、欺壓人的城有禍了!
2Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
2她不聽話,也不受管教;她不倚靠耶和華,也不親近她的 神。
3Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. [Lopa] [Na: tsy mamela taolana]
3城中的領袖都是咆哮的獅子,城中的審判官是夜間的豺狼,甚麼都不留到早晨。
4Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
4城中的先知都是輕浮詭詐的人;城中的祭司褻瀆聖物,違犯律法。
5Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
5耶和華在城中是公義的,決不行不義的事;他每日早晨都顯明公正,永不止息。不公義的人卻不知廉恥。
6Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
6我耶和華已經剪除列國,他們的城樓被毀;我已經使他們的街道荒涼,以致杳無人跡;他們的城市荒廢,以致無人存留,無人居住。
7Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[Heb. fonenany] [Heb. azy]
7我說:“她定要敬畏我,接受管教。”這樣,她的住所必不會照著我原定對她的懲罰被剪除。可是他們殷勤行惡,敗壞了自己一切所作的。
8Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
8耶路撒冷必蒙拯救耶和華說:“因此,你們要等候我,等候我起來指證的日子,我已經決定集合萬邦,召聚列國,把我的盛怒,就是我的一切烈怒,都傾倒在他們身上;因為全地都必被我的妒火吞滅。
9[Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. [Heb. soroka iray]
9那時我要使萬民有潔淨的嘴唇,他們全都可以呼求耶和華的名,同心合意事奉耶和華。
10Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. [Na: hitondran'ny mpivavaka amiko ... ny fanatitra ho ahy]
10敬拜我的人,就是我所分散的人,必從古實河外而來,給我獻上禮物。
11Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
11到了那日,你必不因你背叛我所作的一切感到羞愧,因為那時我必從你中間除掉那些自高自大的人。在我的聖山上,你必不再高傲。
12Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,
12但我要在你中間留下謙虛卑微的人;他們必投靠耶和華的名。
13Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
13以色列的餘民必不再行不義,也必不說謊;他們的口裡也沒有詭詐的舌頭。他們吃喝躺臥,沒有人驚嚇他們。”
14Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
14歡樂之歌錫安的居民(“居民”原文作“女子”)哪!你們要高歌。以色列啊!你們要歡呼。耶路撒冷的居民哪!你們要滿心歡喜快樂。
15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
15耶和華已經除去你們的刑罰,趕走你們的仇敵。以色列的王,耶和華在你們中間,你們必不再懼怕災禍。
16Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
16到了那日,必有人對耶路撒冷說:“錫安哪!不要懼怕;你的手不要下垂。
17Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [Heb. hangina]
17耶和華你的 神在你中間,他是施行拯救的大能者,必因你歡欣快樂,必默然愛你,而且必因你喜樂歡唱。”
18Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. [Na: efa lavitra] [Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]
18“那些屬你,為了切慕大會而憂愁的人,他們擔當了羞辱;我必招聚他們。
19Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. [Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
19看哪!那時我必對付一切苦待你的人;我必拯救那些瘸腿的,聚集那些被趕散的;在全地受羞辱的,我必使他們得稱讚,有名聲。
20Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
20那時我必把你們領回,那時我必把你們齊集;我使你們被擄的人歸回的時候,必在你們眼前,叫你們在地上的萬民中得稱讚,有名聲。”這是耶和華說的。