Malagasy

聖經新譯本

Hebrews

10

1Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
1律法既然是以後要來的美好事物的影子,不是本體的真象,就不能憑著每年獻同樣的祭品,使那些進前來的人得到完全。
2Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
2如果敬拜的人一次得潔淨,良心就不再覺得有罪,那麼,獻祭的事不是早就停止了嗎?
3Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
3可是那些祭品,卻使人每年都想起罪來,
4Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
4因為公牛和山羊的血不能把罪除去。
5Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
5所以,基督到世上來的時候,就說:“祭品和禮物不是你所要的,你卻為我預備了身體。
6Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
6燔祭和贖罪祭,不是你所喜悅的;
7Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
7那時我說:‘看哪!我來了,經卷上已經記載我的事, 神啊!我來是要遵行你的旨意。’”
8Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
8前面說:“祭品和禮物,燔祭和贖罪祭,不是你所要的,也不是你所喜悅的。”這些都是按照律法獻的;
9dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
9接著又說:“看哪!我來了,是要遵行你的旨意。”可見他廢除那先前的,為要建立那後來的。
10Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
10我們憑著這旨意,藉著耶穌基督一次獻上他的身體,就已經成聖。
11Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
11所有的祭司都是天天站著事奉,多次獻上同樣的祭品,那些祭品永遠不能把罪除去。
12fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [ Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay]
12唯有基督獻上了一次永遠有效的贖罪祭,就在 神的右邊坐下來。
13ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
13此後,只是等待 神把他的仇敵放在他的腳下,作他的腳凳。
14Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
14因為他獻上了一次的祭,就使那些成聖的人永遠得到完全。
15Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
15聖靈也向我們作見證,因為後來他說過:
16"Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
16“主說:‘在那些日子以後,我要與他們所立的約是這樣:我要把我的律法放在他們的心思裡面,寫在他們的心上。’”
17dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34).
17又說:“我決不再記著他們的罪惡,和不法的行為。”
18Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
18這一切既然都赦免了,就不必再為罪獻祭了。
19[Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
19勸勉和警告所以,弟兄們!我們憑著耶穌的血,可以坦然無懼地進入至聖所。
20amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
20這進入的路,是他給我們開闢的,是一條通過幔子、又新又活的路,這幔子就是他的身體。
21sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
21我們既然有一位偉大的祭司治理 神的家,
22dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [ Gr. voafafy]
22我們良心的邪惡既然被灑淨,身體也用清水洗淨了,那麼,我們就應該懷著真誠的心和完備的信,進到 神面前;
23aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
23又應該堅持我們所宣認的盼望,毫不動搖,因為那應許我們的是信實的。
24ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
24我們又應該彼此關心,激發愛心,勉勵行善。
25aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
25我們不可放棄聚會,好像有些人的習慣一樣;卻要互相勸勉。你們既然知道那日子臨近,就更應該這樣。
26Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
26如果我們領受了真理的知識以後,還是故意犯罪,就再沒有留下贖罪的祭品了;
27fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
27只好恐懼地等待著審判,和那快要吞滅眾仇敵的烈火。
28Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
28如果有人干犯了摩西的律法,憑著兩三個證人,他尚且得不到憐憫而死;
29manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
29何況是踐踏 神的兒子,把那使他成聖的立約的血當作俗物,又侮辱施恩的聖靈的人,你們想想,他不是應該受更嚴厲的刑罰嗎?
30Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
30因為我們知道誰說過:“伸冤在我,我必報應。”又說:“主必定審判他自己的子民。”
31Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
31落在永活的 神手裡,真是可怕的。
32Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
32要忍耐行完 神的旨意你們要回想從前的日子,那時,你們蒙了光照,忍受了許多痛苦的煎熬;
33indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
33有時在眾人面前被辱罵,遭患難;有時卻成了遭遇同樣情形的人的同伴。
34Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. [ Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra]
34你們同情那些遭監禁的人;你們的家業被搶奪的時候,又以喜樂的心接受,因為知道自己有更美長存的家業。
35Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
35所以,你們不可丟棄坦然無懼的心,這樣的心是帶有大賞賜的。
36Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
36你們還需要忍耐,好使你們行完了 神的旨意,可以領受所應許的。
37Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra"
37因為:“還有一點點的時候,那要來的就來,並不遲延。
38Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [ (ny marina)]Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
38我的義人必因信得生,如果他後退,我的心就不喜悅他。”
39Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
39但我們不是那些後退以致滅亡的人,而是有信心以致保全生命的人。